Tsy azo hanina moa ny lalana, hoy ny hiaka adala teny amin’ny 13 mey 2009 ?
Faharoapolo kely nandehanana Antsirabe, hatramin’ny desambra 2024. Asa tsy vita hifampitsaràna ny fahasimban’ny lalana. Mody nisy asa natomboka saingy fanepahana ny mbola mafy sy matevina, anefa tsy narahana fandrakofana tara avy hatrany, ka ny lavadavaka sy vovoka main-tany nanjary lavaka makadiry sy fota-mandrevo fahavaratra.
Fahavaratra 2024, Paska 2025, «Grandes vacances» 2025 : tsy vita mihitsy Antananarivo-Antsirabe (ankoatra izay mianatsimo rehetra : Ambositra, Ambohimahasoa, Fianarantsoa, Ambalavao...), fampanantenana poakaty manara-penitra tahaka ny nahazatra, ka soa fa niongana ihany ilay Fitondrana sady nanafintohina no nanapa-tsinay.
Septambra 2025 - janoary 2026 : tsy hisy fahagagana tampoka. Miadana loatra ireto orinasa : asa amin’angady, miditra moramora amin’ny sivy ny «Stop & Go». Lafo loatra ilay miasa amin’ny alina ? Mandra-panototra ny etsy, efa kaohin’ny riaka sy sangian’ny rivotra ny zara fa vita atsy hany ka lasa tafo fanitso «tôle ondulée».
Reraka ny olona, simba ny fiara. Vovoka firy izay natelina izay, «carrosserie» voan’ny bemangovitra, «silent-bloc» nizaka ny tsy eran’ny aina. Osa loatra, be fandeferana ny seraseram-panjakana ankehitriny : aza avela afaka hihevitra akory fa manan-jo hitaraina ireo mpangalatra «génération 2009» niray tendro ka nanary ny volam-panjakana anefa tsy nisy asa vita.
Lalam-pirenena, toha-drano, lapan’izao sy izao tsy ahoan-tsy ahoana : volam-bahoaka nangalarina avokoa izany. Mpangalatra. Aza avela akory hitanisa izay hoe «Ambanja-Antalaha» : 14 taona taorian’ny 2009 vao mba nanezakezaka nitokana lalana mety hihotsaka 2026.
Atohofy amin’ny tendany Vatomandry-Mahanoro, Ambondromamy-Antsohihy, Sakaraha-Toliary, etsetra etsetra. Ny RN5, ny RIP 19, ny N23 sy ny sisa sy ny sisa. Lalana ambanivohitra sasany, tsy afaka intsony raha tsy UNIMOG. Tokony famoaham-bokatra, lasa fisangiana «Off-Road».
Fomba fiasa «génération 2009» : orinasa vorika, fanaraha-maso tampimaso, fandraisana zara fa vita kiantranoantrano. Ambalavao-Behenjy, Antsahanala-Ambatolampy, Ihazolava-Ambohimandroso, Mandikanamana-Ilempona : mila mari-drefy tena matihanina izay mba hany vita tara, izay zara fa vita efa ho simba sahady. Tampim-bava ho an’ny mpangalatra nanara-penitra.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja