Matoan-dahatsoratry ny gazety niseho isan’andro, AO RAHA, ity zaraiko ampahany androany ity. Lahatsoratra natao tamin’ny taona voalohan’ny gazety, ny 8 aogositra 2006. Araka ny efa voalaza tamin’izany andro izany, dia «saika nifanojo ny taona voalohan’ny Ao Raha sy ny faha-110 taona naha zanatany an’i Madagasikara noho ilay «loi d’annexion» lanieran’ny Antenimiera frantsay ny 6 aogositra 1896». Iaraha-mahalala moa fa naharitra 64 taona latsaka kely (oktobra 1895- aprily 1959 sa jona 1960) ny fanjanahan-tany, hany ka na niverina aza ny fiandrianam-pirenena, tsy voafafa omaly sy rahampitso ny tarazo sy farasisa am-polo-taona maro. Isan’ireny ny fisakelehina ny tenin-drazana raha lolohavina kosa ny an’ny hafa.
Tsy gazety fe gazety ihany, na fitiavana hanoratsoratra fotsiny, no nananganana ny gazety «Ao Raha» fa nisy foto-kevitra ijoroana. Tany am-pananganana azy, dia ny Teny, ny Tantara ary ny Fomba, no natao hoe toko telo hiketrika ny hambom-pirenena. Ka tmin’ny sehatra nisy azy, izany hoe ny fanaovan-gazety, dia noraisin’ny Ao Raha ho adidy ny fikajiana iray fara-faharatsiny amin’ireo toko telo voalaza etsy ambony, dia ny tenin-drazana izany.
Na inona mantsy na inona fivadihan-javatra ara-politika sy tsongolom-batita ara-toe-karena hifandimby eto, tokony afaka hiankina amin’ny andry atokisana sy hamahatra amin’ny kitro marim-pototra ny kolon-tsaina hahafantarana antsika ao anatin’ny tsihibelamban’ny fanantontoloana.
Na inona lesoka, na akory madilana, raha mbola misy manoratra sy mamaky amin’ny tenin-drazana dia velona ny teny gasy. Ezaka iray hafa ary dingana manaraka ny fiezahantsika isan-tokantrano hitaiza ny taranaka fara aman-dimby amin’ny teny nolovaina tamin’ny razana nialoha lalana. Tsara anterina hatrany hatrany fa teny iray hafakely ny tenintsika, tsy nindramina tahaka ny an’ny firenena sasany voatery mampiasa ny tenin’ny mpanjanaka mba hifaneraseran’ny mpiray firenena. Teny mahaliana ny mpikaroka noho ny fihavanany akaiky, tsy mba tetezina akory, amin’ny teny any Azia atsimo atsinanana na dia elanelanin’ny Ranomasimbe Indiana aza.
Fitaovana hary fomba am-bavantsika ny teny gasy, sady tombontsoa no rehareha ka sanatriavina ny hanosi-boho-tanana ilo mby an-doha. Ny fijoroantsika amin’ny tenin-drazana dia mety ho soa fianatra amin’ny lafiny hafa rehetra amin’ny fiainam-pirenena. Rehefa tanteraka izay ezaka izay, ilay famaharana amin’ny an’ny tena aloha, dia roso tsy amin’ahiahy isika hivelatra amin’ny vazan-tany efatra araka ilay tarigetra mahafinaritra loatra hoe “andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa feheziko”.
Hatreo ilay Matoan-dahatsoratra, efa ho roapolo taona lasa sahady. Mbola ela lavitra talohan’izany anefa moa, satria ny taona 1974, no nivoaka ilay boky hoe «Fanagasiana», nosoratan’ny E.D. Andriamalala. Mbola talohan’iny ihany koa anefa ny kabarin’i Jeneraly Ramanantsoa, tamin’ny 27 jolay 1972, nanolorany ny Kabary fandaharan’asan’ny Governemanta vaovao. Voaresaka tamin’izany ny hoe «fanagasiana» : fampanarahana ny votoatin’ny fampianarana amin’ny fiainan’ny Malagasy ary fanatsetahana (firy no mbola mahay ny hoe TSETAKA = mipetraka tsara, mifanandrify tsara) ny fomba fampianarana amin’ny fisainana malagasy.
Raha nitatitra ny boky «Ohabolan’ny Ntaolo», sangan’ny asan-dRtoa Bakoly Domenichini-Ramiaramanana nivoaka ny volana novambra 1972, dia izao no voalazan-dRandriamarozaka (Talen’ny Famohana ny Bulletin de Madagascar) raha tsy maintsy nanisy teny ny fanagasiana, izay «ambetin-dresaka hatraiza hatraiza eran’ny Nosy» tamin’izany fotoana izany : «raha ny zava-mitranga sy ny firehantsain’ny olona no zahana dia ny fanomezana toerana mihaja sy fampanjakana tsikelikely ny teny malagasy no hevi-baventy iray entin’izany atao hoe fanagasiana izany».
Raha tonga teto ny Misionera LMS (London Missionary Society), ka nanomboka nampianatra, ny taona 1820, dia tamin’ny teny malagasy avokoa no nampitany fahalalana sy nizarany fahaizana. Saingy, nanomboka 1897, rehefa andron’i Gallieni, dia natao tompon-trano mihono ny tenin-drazana nanoloana ny teny frantsay izay natao hoe «teny baiko» ihany koa aza.
Ankoatra ny fampianarana manokana ireo Mpampianatra sy ny fampitaovana, na dia amin’ny boky ihany aza aloha, dia tsy azo heverina ny hanindroa amin’ny zava-diso tamin’ny fanagasiana 1972-1978. Fanontaniana tsy tokony hipetraka akory ny amin’ny toeran’ny teny malagasy eo amin’ny sehatry ny fampianarana mba tsy hanaovana ho valalan’amboa ny tenin-drazana anefa hoe imatimatesana ny Tanindrazana.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja