«Tanindrazana, Fihavanana, Fampandrosoana» : tsy misy na Malagasy iray aza ka handà ireo teny ireo. Indrindra rehefa tanisaina miaraka. Ilay «Fihavanana» mandeha ila mantsy efa mampanontany tena ihany, mahita ny fihetsika anaty fiaraha-monina hita miharatsy, mampatahotra tsy hiverina amin’ny laoniny intsony. Ny «Fampandrosoana» ihany koa, raha ny zava-misy iainana, dia zary angano mbola tsy niainan’ny taranaka ankehitriny.
Ity zaraiko eto ambany eto ity dia kabary nataon’ny Filohan’ny Repoblika iray. Rehefa iverenana vakiana, taona maro aty aoriana, tsy misy kianina. Indrindra anie fa ny fanajana ny vahoaka. SAINGY. Ity kabary ity dia azon’ny Filoha rehetra nifandimby noraisina ho azy. Kabary fampindrana, kabary ifandimbiasana : tsy misy tompony, satria samy tompony. Indrindra moa raha vao miventy ilay teny mahery hoe «Tanindrazana».
Ery amin’ny faramparan’ny lahateny dia misy andian-teny averimberina : «Mila fotoana lava sy asa mitozo, mila fotoana lava sy asa mitozo». Ndao tsy ho raisina hoe fangatahana fanalavam-potoana fa fanetren-tena ho tsy hahavita haingana. SAINGY. Raha izy rehetra mahavita mandray ho azy ny kabary manontolo, tsy misy na iray aza sahy mitsotra hoe «Tsy hisy fahagagana». Na dia iaraha-mahalala aza fa nidi-kizo ka mbola manao todika ivoho ; na dia tsy takona afenina aza fa latsaka anaty hady mandifotr’olona ka mbola miandry tolo-tanana ; na dia milaza iaraha-mahita aza fa hodivin-janahary anie no tsy nampikodingy an-tevana antsika, ka mbola mamikitra kitrokely amin’ny tany marina.
Hoy izy : Inona moa izahay mpitondra raha tsy eo ianareo Vahoaka? Fa ianareo no kofehy maito mitam-panjakana, ianareo no hazomanga fanao tehina, ianareo no fototra ijoroan’ny fanjakana. Ny andon’ny lanitra hirotsaka maharitra ho an’ny isam-baravarana, ny tsiron’ny tany hiboika ho an’ny isan-tokonana.
Fotoana izao anaovantsika jery todika ny fiainam-pirenena, andinihan-tena ary fotoana ihany koa ifanaovana velirano amin’izay lalana tiana hizorana, sy ny fomba fisainana hahatonga antsika hiara-mizotra mankany amin’ny tanjona izay iombonana.
Fa inona no mampiombona antsika ? Ny tanjona iraisana dia ny hananantsika isan’ankohonana sy fianakaviana fiainana mihatsara kokoa hatrany eto amin’ity tany efa foin’Andriamanitra ho antsika ity.
Inona koa no mampiombona antsika ? Ny kolontsaina maha Malagasy antsika izay mirakitra soatoavina tsy tontan’ny ela, ka tokony omentsika hasina vaovao hatrany amin’izao andro diavintsika izao. Izany hoe «Rariny sy hitsiny» izany dia tena soatoavina mipaka avy hatrany amin’ny fomba fitantanan-draharaha. Mikatsaka izany isika satria tokony hanana ny anjara masoandro sahaza ny herim-pony ny Malagasy rehetra, ary ny andraikitry ny mpitondra dia ny mandamina ny sehatra mba hahatonga izany herim-pon’ny Malagasy izany hitondra fihatsaram-piainana, fivelarana sy fisandratana.
Tsy misy Firenena matanjaka raha mbola marefo ny vahoaka. Isan’ny soatoavina lehibe koa, izay efa novoizina, nanterintsika foana, ny « Fihavanana ». Fantatro fa misy ny milaza hoe : efa tsisy dikany intsony izany fa efa nosimbaina sy nozimbazimbaina. Angamba, ho an’ny ampahany vitsy fotsiny izany. Fa mbola misy lanjany izany ho an’ny sarababem-bahoaka. Ary heveriko fa manana adidy daholo isika hamerina ny hasin’ny
« Fihavanana » izay mifamatotra rahateo amin’ilay nolazaiko teo hoe «Rariny sy Hitsiny». Rehefa tsy voahaja ny Rariny sy Hitsiny dia mikoroso ny Fihavanana.
Mila fotoana lava sy asa mitozo ny fanomezana fototra matanjaka ny fianarana sy fanabeazana ny zanantsika ; mila fotoana lava sy asa mitozo ny fametrahana fotodrafitrasa ho an’ny fahasalaman’ny ankohonana sy ny taranaka ; mila fotoana lava sy asa mitozo ny fampivelarana fiharian-karena miorim-paka isam-paritra mba hanovosoa « Ara-drariny sy hitsiny » ny Malagasy rehetra. Izany no fanamafisana ny «Fihavanana» mba tsy hisy intsony ny zanak’Ikalahafa sy ny tany lavitra Andriana.
Izany no fanamby tiako hamafisina sy anterina : Fitiavan-tanindrazana sy Fihavanana, antoky ny Fampandrosoana. Fomba hanajariantsika ny lova sarobidy navelan’ny Razantsika dia ny hoe : ny Firenena sy ny hareny ary ny olony dia tsy misaraka amin’ny kolontsaina maha izy azy. Aoka isika ho mendrika izany lova sarobidy izany.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja
on avait prété au malgache colonial des vertus disparues avec l'indépendance.Si on avait su on aurait rejeté' cette indépendance misérable ...!
RépondreSupprimer