Dieny mbola vao manomboka (hiverina) hiasa ny «train urbain», mandimby manitsaka ny lalan’ny «train de banlieue» fahiny, aoka ho araraotina ny fanajana ny teny malagasy. No sady fanararaotra hampianarana ny Tantara, tsy ho an’ny «Gen Z» ihany, satria na ny lehibe ihany koa aza efa (simba) very tadidy.
Voalohany amin’izany efa teny diso sahady izany, dia ny fanoratana hoe «Amoronakona». «Hona» no fototeny sady toe-tany eny amin’io faritra io. HONA : tany voasarindrano sy ahitra ary mandrevo mampilentika rehefa hitsahina, hoy ny Firaketana (febroary 1955).
Ny «a-, am-, an-» dia fanondroana toerana efa mahazatra (an-vohitra = am-bohitra). Raha ny fitsipi-pitenenana dia tsy ho «a-kona» velively, izay mety midika zavatra hafa tanteraka angamba, na dia tsy fahita amin’ny Firaketana sy Rakibolana aza.
A-HONA = ANKONA, A-MORONA + A-HONA = AMORONANKONA
Raha miala an’Amoronankona, ka miakatra manaraka ny morondranon’Ikopa, dia tonga amin’ny «gare Ambohimanambola». Raha ny vohitr’Ambohimanambola dia mbola ambony atsinanana miala somary lavitra io antsoina hoe «gare Ambohimanambola» io. Raha nanaja ny tantara ny Vazaha, saingy tsy izany moa no tanjona tamin’ny Fanjanahantany, dia «gare Ambohibato» no marina kokoa satria ny vatoben’Am bohibato io mandindona ny «gara» andamosiny io.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.
RépondreSupprimer