Mbola ny Rovan’ Antananarivo

Telopolo taona katroka androany no nandoran’ny tsy vanon-ko-olona ny Rovan’Antananarivo. Tanety lava tokoa izay telopolo taona izay, tokony nisy nandinihina tsara. Mampalahelo anefa raha ny zava-nitranga hafa nanaraka iny andro nivalovalozana iny. 

Telopolo taona aty aoriana, hatramin’ny mandrak’androany, mbola tsy fantatra ireo mpamosavy firenena niketrika iny teti-dratsy iny. Telopolo taona aty aoriana, mbola tsy tafaverina amin’ny tena endrika sy ny rafitra nananany, talohan’iny antambo iny, ny Lapa samihafa ao Anatirovan’Antananarivo. Telopolo taona aty aoriana, mbola misy hatramin’ny tompon’andraikitra sasany miteniteny foana hoe «Rovan’i Madagasikara». 

Raha ny Fasan’Andriana no maha Rova ny Rova, noho ireo Andriamanjaka nifandimby nafenina ao, dia ireo Mpanjakan’Antananarivo no «Fitomiandalana» voalohany tao ; vao ireo Mpanjakan’Imerina Enin-toko taty aoriana ; afara vao ireo Mpanjaka merina, «nandova ny fiandrianan’ny Razako» (araka ny teny mialoha ny kabary), saingy efa «Mpanjaka ny Madagaskara sy Mpiaro ny Lalàn’ny Taniko», na dia tsy neken’ny Foko sasany, hatramin’ny faran’ny «Tany gasy», aza izany «Royaume de Madagascar» izany. 

Rovan’Antananarivo hiringirina, na dia teo aza ny fikasan’ny mpisavika, sy ireo niray tsikombakomba taminy, hanova ny Tantara. Mahakivy ary mampalahelo sady manafintohina, raha telopolo taona aty aorian’ny nahamay ny Rovan’Antananarivo, no mbola hisy fisalasalàna ny ara-Tantara. 

Mahakivy ary mampalahelo sady manafintohina, saika tahaka izany ihany koa, ilay hoe «Rovan’i Manjakamiadana», lovam-pitenenana diso avy amin’ilay nataon’ny Vazaha hoe «Palais de la Reine». Ny Lapa Manjakamiadana no lehibe sy miezinezina indrindra ao Anatirovan’Antananarivo, fa misy Lapa hafa ao : Besakana, Mahitsielafanjaka, Tranovola, Manampisoa. Tsy adino Tsarahafatra, izay mbola nandraisan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III ny Jeneraly Voyron, tonga nanao veloma azy, tamin’ny 19 septambra 1896. 

Mbola nisy ihany koa ny Lapa Masoandro, atsinanana ambadik’i Besakana : tao, ny 9 novambra 1885, no namoahan-dRanavalona III ny fandaminana ny Fandroana faharoa, hatramin’ny nisehoany tamin’ny Ambanilanitra, Androm-Pandroana izay nafindrany moa ho amin’ny 23 novambra, fitsingerenan’ny taona nahaterahany. Tsy adino ny Fiangonana Tranovato Anatirova, izay nokasaina ho foiben’ilay Fiangonam-pirenena tahaka ny Eglizy Anglikana any Britaina. Farany am-pitanisàna, satria dia tompon’ny farany ara-bakiteny, ny Fitomiandalana sy ny Fasan-dRadama I ary ny Fasan-dRasoherina, nantsoina hoe «Fasan’ny Lahy» sy «Fasan’ny Vavy» hatramin’ilay «famadihana» sota nampanaovin’ny Jeneraly Gallieni, ny 14 martsa 1897. 

Raha nivalo sy niantso sanatria isika tamin’ny 6 novambra 1995, telopolo taona aty aoriana, aoka tsy hamoa-tsampona ka handiso Tantara na hametaka anarana sandoka amin’ny Rovan’Antananarivo. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne