Haody, ry Analamangako

Ao amin’ny faritry ny «Rova atsimo», izay nialoha ny «Rova avaratra», no misy an’i Besakana. Masoandrotsiroa no teo atsinanany, noelanelanin’ny Kianja tokotanibe taloha. Ny fahitra nametrahana ny ombin’Andriana no tao andrefan’i Besakana. Ny trano Felatanambola (lasa Manjakamiadana taty aoriana) no teo avaratra andrefany. Ny Tranomasina Fitomiandalana no teo an-dohany avaratra (talohan’ny 14 mars 1897, namindran’i Gallieni ny Fasan’Andriana). Teo amin’io Tokotanibe/Tokotanimasina io no nisy ny vatolahin’Andrianjaka, fanaovana sorona ny omby volavita. Voasoratry ny Tantara ny Andriana izany ary voamarin’ny arkeology. Io vatolahy manolotra an’i Besakana io no ivon’ny Rovan’Antananarivo.

Besakana : trano kotona lehibe noho ny hafa nisy tamin’ny androny. Naka tahaka azy ny tranon’Andriana (Ny Andriana lazaina eto dia ny Andriamanjaka, fa tsy ny Havanandriana) lehibe roa hafa malaza : Mahandrihono (lapan’Andrianampoinimerina, Rovan’Ambohimanga), Mahitsielafanjaka (lapan’Andrianampoinimerina, Rovan’Antananarivo). Miendrika trano kotona ihany koa ny tranomanara mandravaka ny fasan’ireo karazana andriana sasany (Zanakandriana, Zazamarolahy, Andriamasinavalona, Andriantompokoindrindra). Ary ny Tranomasina «Fitomiandalana». 

Besakana, manokana. Ralesoka, anabavin’Andrianampoinimerina, no nitoetra tao Besakana. Toy izany koa Rabodonandrianampoinimerina (niova anarana ho Ranavalona rehefa nanjaka) : zanaka natsangan-dRalesoka izy. Tao Besakana no niaretan-tory rehefa niamboho Andrianampoinimerina (1810) sy Radama (1828). Ary lasa fomba fanao izany taty aoriana isaky ny misy Andriamanjaka miamboho. Tao Besakana ihany koa no nanasalorana jaky an-dRanavalona raha hanjaka izy.  Voalaza fa Andriamasinavalona no nanangana an’i Besakana. Izy izany no trano tranainy indrindra tamin’ny Rovan’Antananarivo talohan’ny 6 novambra 1995. 

May ny Rova, io andro io, 6 novambra 1995. Nomena alalana ny arkeology (notarihin’i Bako Rasoarifetra sy Rafolo Andrianaivoarivony) hisava ny atin’ny tany araka ny fepetra takian’ny Charte de Venise : tsy azo atao ny manangana raha tsy tanteraka ny fitiliana arkeolojika. Tao ambanin’i Tranovola, ohatra, dia nahitana tokontany hafa mirakotra vato. Ankeviny nisy Rova hafa taloha notaingenana io Rova mahazatra antsika io.

Mety tsy hahagaga izany satria, fantatra fa ny Antehiroka Andriampirokana no tompon’Analamanga talohan’ny nahatongavan’Andrianjaka, izay nanova anarana azy ho Antananarivo. 

Maro ny lapa tao Anatirova no nosoloin’ny Mpanjaka vaovao trano hafa mitovy anarana amin’ny teo aloha (ohatra : Masoandro, Manjakamiadana) na nafindra eny Ambohimanga sy vohitra hafa. 

Ny fasan’Andriampirokana dia voalaza fa eo amin’ny faritra misy ny lapan’Andafiavaratra, tanin-dRainiharo, izay taranaka Antehiroka. 

Tsetsatsetra tsy aritra : raha tafaresaka tamin’ny Anteony, tao Vatomasina-Vohipeno, ka nanontany azy ireo ny mikasika ny Antehiroka dia izao ny valin-teny : «Ny Antehiroka anie ka Anteony»...Tantara hafa indray iny.

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne