Hatramin’ny 6 novambra 2008, dia efa natao mateti-piavy ity lahatsoratra ity : «Antranonkala», «Teny Gasy», «Mamalan-kira». Ary tsy ho lany daty mihitsy raha mbola tsy tafalatsaka an-tsaintsika rehetra ny fiarovana toa anakandriamaso ny Vakoka sy ny Tantara.
Isaky ny 6 novambra, lasa fahavarana ny mitanisa hoe «tsy fahatsiarovana zary fahatsiarovana fotsiny ihany fa, arak’ireny «Tabataban’ny Fahanginana» niarahana hatrizay teo Andohalo ireny, di-doha mba tsy hanadinoina mandrakizay».
Ny nahamay ny Rovan’Antananarivo no zary vay an-kandrina tsy takona afenina saingy tsy mitsaha-mitombo ny kitoatoa mahavery tadidy ny firenena ka atahorana hahavoa tamberintany ny taranaka fara aman-dimby.
Iniana tanisaina ombieny ombieny mba ho raiki-tampisaka satria mitovy ny nahasahian’ny sasany nandoro, na ny Lapan’Andafiavaratra (11 septambra 1976) na ny Rovan’Antananarivo (6 novambra 1995). Tsy afa-misaraka amin’ireny koa ny faharavan’ny Trano Gasy miavaka toa ny tranon-dRainimboay tetsy Ankadifotsy-Ambatomitsangana na ireo Trano Gasy miavaka ravarava fahatany. Tsy maintsy tanisaina miaraka aminy ihany koa ny fanotofana sesilany ilay lemak’i Betsimitatatra sompitr’Imerina sy ny tanimbary rehetra manolotra ny bypass (ndlr 2025 : farihy ampototr’Imerimanjaka aza moa sahy nototofana ametrahana fivarotana fiara sy station-service koa z’inony izay tanimbary eny Laniera efa vakivakin’ny arabe rahateo). Tsy azo hodian-tsy hita ny fahasimban’ny «Archives» na ny fahaverezan’ny tahiry an-tsarimihetsika (ampiana ny nandoran’ny sasany ny Radio Madagasikara tamin’ny 26 janoary 2009).
Avereno vakiana ny fitantaràna an’Antananarivo fahizay. Ilay Vohitra fahiny niavaka avy hatrany ny maha-Merina azy. Renivohitra mierina ambony havoana, nosy vatolampy afovoan’ny rano sy varin’i Betsimitatatra. Antananarivo, ny Rova, ny Trano Gasy, ny Fiangonana Tranovato tsangambato, ny Tsena Anjoma. Tsy vohitra notefitefen’ny mpanjana-tany vazaha, tsy manaraka ny «urbanisme» tandrefana, tetezin’ny lalan-kely miholikolika fa tsy vakian’ny arabe tora-tady.
Hoy Rabearivelo, « Iarivo, Iarivo, na milapatra eo amin’ny ahitra milenoky ny tanimbary, na monin-drery toy ny raiketra eny amin’ny vatolampy ». Izany no Analamangan’Andriampirokana, Antananarivon’Andrianjaka, trafo mitondra ny Fitomiandalan’Andriamasinavalona. Isaky ny mahatsiahy ny nahamay ny Rova aho dia velona ahiahy amin’ny fahaverezan’ny endriky ny tanànako : naleoko ihany ilay Zoma nahasarika an’izao tontolo izao toy izay itony tsena tselika mameno arabe itony ; aleoko foana hatrany ny Trano Gasy mibahana ny vohitra dia ery ambany atsimo ny rindrimbe miezinezina fivarotan’ny Karana, tsenan’ny Sinoa, biraon’ny Vazaha ; alaheloko mandrakizay ny tanimbary natakalo ny « faritra iva » dibo-drano tsy natao honenana.
Satria tsy maintsy misafidy andro iray, ary noho ny alahelo loatra nahazo ny tsirairay tamin’iny andro iny, mba tsy hampitsanga-menatra hafa indray imason’ny Tantara sy manoloana ny taranaka, mangataka mba hanaovana ny 6 novambra ho andron’ny tsangambaton’ny Tantara : tsy ho an’ny Rovan’Antananarivo ihany, fa ho an’ny vakoka rehetra, #Tany_Teny_Tantara, misy manerana an’i Madagasikara, mampiavaka ny isam-poko isam-pirenena.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja