Tsy dia tsikaritra, anefa isaky ny fialan-tsasatra, ka mivahiny amin’ny faritra hafa ny olona, dia tsara kokoa ny fahitana ifotony ny zava-misy. Tsy takon’ny serasera ofisialy afenina, satria vahoaka maro loatra no miaina sy mitantara. Ka na inona na inona laingam-panjakana dia miharihary toy ny vay an-kandrina.
Izay misintaka ny Renivohitra, ka mandeha amin’ny Lalam-pirenena, tsy maintsy mandia kitoantoana, tsy maintsy latsaka an-davaka, tsy maintsy solitiky ny fotaka. Anaran-tsy very sisa no maha hoe Lalam-pirenena ny kilometatra an-jatony maro.
Vao fanombohana foto-drafitrasa no tokanana ombieny ombieny, fa mbola vitsy hatreto ny fitokanana foto-drafitrasa vita ka atolotra ho ampiasain’ny vahoaka. Mba tiako isaina ny tetezana tsy azo ifanenana ka maha-tapaka tanteraka ny fifamoivoizana raha vao izay misy tavela antenantenany. Mba tiako ho fantarina ny vola atokana hikojakojana ny zava-bita omaly fa tsy maika hanomboka vava-asa vaovao tsy haharitra.
Izay manatona ny Renivohitra kosa dia hahita fa hira efa kalon’ny fahiny izay mitantara ny hakanton’Antananarivo. Ao an-damosin’ireo tranobe mijoalajoala etsy Ankorondrano, dia efa rano miandrona, fota-mandrevo, diky mitsingevana.
Hizaha inona raha hankaty Antananarivo ? Manempotra ny rivotra maloto, manempotra ny olona mifanitsa-kitro, manempotra ny taxibe mibahana arabe. «Délestage», rano tsy mitete, fako miavosa, mpangataka etsy sy eroa, tsy manan-trano matory an-kalamanjana : izany ve no sarin’izany hoe Renivohitra ?
Izany anefa no zava-misy eto Madagasikara. Taona 2025. Maharary mahamenatra. Hitan’ireo nivahiny, tsy vitan’ny tampi-maso intsony.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja