Tao amin’ny “Filazantsara” no nahitako voalohany ny teny hoe “Raby”. “Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ny synagoga sy ny hoharahabain’ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ny olona hoe “Raby o !” (Matio, 23:6-7). “Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny hebreo hoe : Rabôny ! izany hoe mpampianatra” (Jaona, 20:16). “Ary niteny ¨Petera ka nanao tamin’i Jesosy hoe “Raby o, tsara raha mitoetra eto isika” (Marka, 9:5). “Raby (izay atao hoe, raha adika, mpampianatra o)” (Jaona, 1:38).
Ny hoe “Mpampianatra” dia mifandraika amin’ny dikany any amin’ny Hebreo hoe “Mpandinika ny Teny” : izany hoe manana fahaizana, mamaky sy mamantatra vao mizara, fa tsy “Mpananatra” sanatria, ka mpitoriteny tsianjery fotsiny. Ny “Mpampianatra” tiana omen-danja manokana eto dia ireo mampita fahaizana, manomboka any amin’ny Kilasy Voalohany, tena fanabeazana ifotony.
Firenena nahasodoka antsika efa hatramin’ny taonjato faha-19 ny «Japana sy ny Japanesa», araka ireo lahatsoratra navoakan’i Dokotera Rajaonah tao amin’ny gazety «Ny Mpanolo-Tsaina» tany amin’ny taona 1889. Taty aoriana, 1913 sy 1914 ary 1915, vanim-potoana nipoiran’ny V.V.S. (Vy Vato Sakelika), dia naverin’i Pastora Ravelojaona ireo lahatsoratra ireo hanaitaitra ny hambom-po malagasy. Adinontsika kely fotsiny ny nisaintsaina ilay toeram-boninahitra nametrahan’ny Japanesa ny «Mpampianatra» na «Senseï». Tafarina vetivety, tsy lavon’ny baomba atomika roa nisesy (Hiroshima sy Nagasaki) tamin’ny 1945, Japana noho izy miorim-paka. Tsy matin’ny bala ilay «Fanahy maha-Olona» raha mbola nisy «Mpandinika ny Teny», raha mbola nisy Mpampianatra.
Eto Madagasikara, ny Mpampianatra tsy mba mahazo vahana. Mpampianatra ny zana-bahoaka ho avin’ny Firenena anefa sisantsisan’ny samy Mpiasam-panjakana. Ny karama fotsiny, ohatra, omena ny Mpampianatra dia mahonena raha oharina amin’ny vola takian’ny depiote. Karama vary masaka tsy manaja fa mampitsanga-menatra, hany ka mampandositra ny tanora tokony handimby toerana.
Niala «Mpampianatra SN» dia miditra «Mpampianatra FRAM» ny any ambanivohitra sy any amin’ny tany lavitra Andriana. Mampatahotra ny ho avin’ny firenena raha dieny «Fanabeazana Fototra» no atao tsirambina sady tsy omen-kasina ihany koa ny Fampianarana Ambony. Tsy misy toe-bola matotra foy ho an’ny Fampianarana, hany ka manala-baraka sady mampalahelo ny Sekolim-panjakana sy ny Oniversite. Tompontambinkarama mangataka atiny ny Mpampianatra sy ny Mpikaroka. Ankilan’izany, mari-pahaizana sandoka mbola mahatafiditra Governemanta raha arahina eso kosa ny avara-pianarana.
«Ento miakatra ity firenena ity». Ao amin’ny Testamenta Taloha (Eksodosy, 33:12) ihany koa izany baikom-pitolomana nalaza tamin’ny 2002 izany. Teloambiroapolo taona aty aoriana, mbola tsy tafalentika lalina tahaka izao ny firenena. Tsy ny isan’ny Jeneraly efa hifanisa amin’ny Foloalindahy, tsy ny habetsahan’ny olom-boafidy hanavesatra teti-bola, tsy ny hamaroan’ny mpanao politika sy mpanao «aferafera» no hampiakatra ny firenena iray. Ny fampianarana, mampita soatovina sy mampitandrina ny Tantara ary mampahalala ireo soa-fianatra hiatrehana ny ho avy sy ny firenen-kafa, izany no kitro ifaharan’ny firenena te ho vanona. Ny Mpanabe sy ny Mpampianatra no antok’izany.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja