Omba-mitady olom-banona

«Madagasikara, firenena isan’ireo mahantra indrindra maneran-tany». Faheno matetika izany dimiambienimpolo taona aty aorian’ilay fanantenana nipololotra tamin’ny fiverenan’ny Fahaleovantena. «Madagasikara, firenena isan’ireo mahantra indrindra maneran-tany» : fiteny sady mahasosotra no mahamenatra anefa tsy azo lavina fa zava-marina, hita andavanandro, iainana mandavantaona.

«L’énigme et le paradoxe» hoy ilay boky nosoratan-dry Razafindrakoto Mireille, Roubaud François ary Wachsberger Jean-Michel tamin’ny 2017. Ka sady tsy voazava mihitsy no tsy nampoizina, nahoana loatra i Madagasikara no nitotongana tahaka izao.

Ny Fiangonana, isan’ny nanohana ny fiverenan’ny Fahaleovantena tamin’ny 1953, saingy ny mpitondra Fiangonana sasany lasa mpanao politika, sakaizan’ny Fitondrana na naman’ny Mpanohitra. Ny Tafika, hany azo nisarangotana tamin’ny 1972, nanjary olana anatin’ny olana, dimampolo taona aty aoriana. Ny fitsabahan’ny miaramila tamin’ny raharaha 1991, 2002, 2009, efa olana ara-drafitra mifaka any amin’ny sekoly fanofanana Acmil. Ny Fitsinjaram-pahefana, adino hatrany hatrany, efa faha-Mpanjaka, nandalo Fanjanahantany, nolovain’ny Repoblika nifanesy. Tsy Antananarivo ihany tokoa Madagasikara, saingy noho tsy fisian’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanapariahana izay ho enti-manana ara-bola sy am-pitaovana, sady sempotra mizaka ny tsy eran’ny ainy intsony ilay Renivohitra no tany hay lavitra Andriana, tsy manana Fitsaboana, tsy ahitana Fianarana, tsy antenain-kivelomana, ny Faritra. 

Voabahan’ny sasany ny toeran’ny Mpandraharaha malagasy. Lasan’ny hafa ny anjaran’ny Tambanivohitra-mpiasa tany. Menaka sy vary, ohatra, isan’ireo vokatra nananantsika amby ampy, tany amin’ny taona enimpolo, afarana marobe ankehitriny. Izao entam-barotra tsy fanta-pihaviana rehetra izao no mitobaka amin’ny tsena malagasy anefa i Madagasikara tsy mba manondrana any ivelany afa-tsy lavanila, letchi, omby, akora fototra tsy sinanda ara-indostria. 

Efa fantatra, voatanisa ombieny ombieny, ny olana. Efa hay, natoro impiry impiry, ny vaha-olana. Maro ireo avara-pianarana Malagasy no nody an-tanindrazana rehefa tafaverina ny Fahaleovantena. Mbola manana manam-pahaizana teratany amin’ny sehetra samihafa i Madagasikara. «Tsy lany olomanga», hoy ilay fiteny anankiray hafa. Saingy. Asa, fa toa natosi-boho-tanana ireny olomanga ireny ka ny hafa lomorina no nomena laka. Tsy ory mari-pahaizana i Madagasikara, na dia misy tafiditra anaty Governemanta amin’ny diplaoma sandoka aza. Kamboty «Fanahy maha-Olona», mandala ny rariny ary mitsinjo ny hitsiny, ilay Firenena. Mbola miandry olom-banona ilay zary ohabolana sisa hoe «Ho an’ny Tanindrazana».

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne