Rabearivelo Jean-Joseph (1901-1937) dia sady nanoratra tononkalo tamin’ny teny gasy no amin’ny teny frantsay. Samy fatratra ny fahaizany ireo teny roa tonta ireo ka sarotra fantarina iza no nosoratany mialoha ary iza kosa no dika-teny.
Liana tamin-java-baovao Rabearivelo, isan’izany ny nianarany teny espaniola ihany koa, saingy tsy afaka tsy ho zanaky ny taonjato faha-19 vao nivalona, satria vao roapolo taona monja no nahafoana ny Fanjakan’Andriana no namoaka ny tononkalo voalohany fantatra fa azy izy, tao amin’ny gazety-boky «Vakio ity», ny taona 1915.
Ny olon-dehibe nanabe azy sy niresaka taminy, nampita ny lovantsofina, inoana fa taiza hiringirin’ny taonjato niainan-dry Ranavalona III (teraka 1861) sy Rainilaiarivony (maty 1896). Dia izany feon’ny teny taloha izany, izany kalon’ny tonony fahagola izany, izany hain-tenin’ny Ntaolo izany, no nandrafitra ny sainy ary namandrahany (cf. Fandraka) ho tsakoina mandrak’ankehitriny.
Tsy tazako tao anaty asa-soratr’i Rabearivelo ny teny tsy afaka am-bavan’ny maro ankehitriny, Barea, izay faritan’ny Firaketana hoe : «BARE na BARIA: ombimanga na ombihaolo tsy misy mpiandry fa mitoetra any Bongolava». «BARIA na BARE : ombidia, ombimanga. Amin’ny Antankarana any Vohémar, ny baria na varia, dia vala, fahitra, ary ny omby ompiana ao am-bala na fahitra dia atao hoe omby am-baria».
Ho fanitaram-pahalalana, ireto misy tononkalon-dRabearivelo naha tsipalotro ny teny Omby. Misy volana iray, «JININJA», tsy mahazatra antsika ankehitriny intsony : jinja idiran’ny tsofoka -in. Ny dikany, azo takarina amin’ny fanazavana nentin-dry Mompera Abinal sy Malzac ao amin’ny Dictionnaire (1888) mikasika ny «Jinja-andry» : marika voasikotra amin’ny andrin-trano, ka hanarahana ny fitombon’ny zaza na hitadidiana zava-nitranga. Ilay antsy, sady fijinjana vilona ihany no «fanoratana» amin’ny hazon’ny andry afovoany, na amin’ny vatolampy :
OMBALAHY
Mierinerina eny an-tendrombohitra,
Na nojininja tamin’ny vatolampy ;
Misy trafo toy ny lohatrano
Sokirin’ny volana eo amin’ny tany,
Inty ny ombalahy mahery
Jaky toy ny volon-drany.
Inona no ampatsiahivinao azy ao anaty tapa-torimasony ?
Moa ve ny namany tsy misy trafo
Ary mena toy ny vovoka
Izy, tompon’ny tany tsy misy olona ?
Sa ny razany nafahin’ny tantsaha
Dia noroahiny ho any am-bohitra, mirava-boasary masaka,
Mba ho vonoina ho hasin’Andriana ?
Mahalasa saina ny omby kisarian-dRabearivelo eto : tsy misy trafo hoy izy, mena toy ny vovoka hono, ary indrindra, tompon’ny tany tsy misy olona. Ombihaolo, tsy misy trafo... Barea ? Ny omby malaza, omby volavita, fanatitra isaky ny Tendrombohitra roambinifolo anefa, rehefa androm-Pandroana, malaza indrindra noho ny trafony fanolotra : raha «nahita» ny omby hono Ralambo, dia ny tsiron’ny trafon’ny jamoka no naharevo azy ka nampihinan-kena ireo mety ho Hindou teo aloha...
Hitohy
Nasolo-valiavo Andriamihaja