Hay ilay antsointsika hoe «fotoan-gasy» dia efa fotoana hatrany Asia Atsimo-Atsinanana nihavian’ireo Razambe sasany. Sahabo ho telonjato sy roa arivo taona lasa, raha ny kajy taorian’ny nahitana ireo sary-am-bato tao amin’ny zohy zohin’Andriamamelo, anatin’ny faritra voajanahary voaaro antsoina hoe Beanka, any Melaky, faritra afovoany andrefan’i Madagasikara.
Izany hoe «Jam karet» izany, hono, any Indonesia dia mitovy amin’ny «eo ho eo» na «ankeviny» aty amintsika. Ny «besok» hoe ampitso, mety ho aoriandriana kely kokoa noho ny «tena rahampitso».
«Atsy ho atsy» : sady manondro toerana, no manome fotoana. Tahaka ilay hoe «any aoriana»: afarako ao ve izany sa amin’ny fotoana manaraka? «Taloha» efa lasa, «aloha» manoloana...
Misy ohabolana isan’ny mahafinaritra ahy indrindra dia ilay hoe «akoholahy sy ny masoandro, ka mifamotoana samy lavitra». Amin’ny firy marina moa izany «maneno akoho tokana izany» raha amin’ny famataranandro vazaha ?
Ny famataranandro ntaolo dia : na mifandraika amin’ny zava-boary (maim-bohon-dravina) sy ny asa ataon’ny olombelona (mifoha olona) ary ny fiainan’ny biby manodidina azy (maneno sahona, maneno fitatra) ; na nanaraka ny rafitry ny trano (mby amin’ny hara-boalavo, mby amin’ny haratra ambony, mitatao vovonana).
Mazava ho azy fa tsy ho enimpolo segondra no iray minitra izany fanisana izany. Rehefa nasiana famataranandro hono ny tava avaratra atsinanan’i Manjakamiadana dia io no «ora ofisialy» nekena ho an’ny rehetra. Vao faramparan’ny taonjato faha-19 anefa vao tafiditra izany «fanisana ora» izany.
Diso amin’ny segondra sy ny minitra ilay mahazo tsiny hoe «manao fotoan-gasy». Indray mahamasa-bary, fa vary firy kapoaka kosa ? Fa ny «sahabo» sy ny «ankeviny» mihitsy no fomba ntaolo.
Nasolo-valiavo Andriamihaja