Ity lahatsoratra ity no nisantarako ny anjarako tamin’ilay boky «Lova», amboaran-tsary nalain’i François-Xavier Gbré teto Antananarivo, ary natontan’ny Fondation H. Boky manahaka ny fomban-dRabearivelo : sady miresaka frantsay no miteny gasy. Amin’ny tononkalon-dRabearivelo mantsy, tsy fantatra intsony iza no dikan-tenin’iza fa toa kambana ny «Presque-Songes» sy ny «Sari-Nofy».
Jean-Joseph Rabearivelo (1901-1937) voulait versifier en langue française mais sur le tempo, la musicalité, voire les assonances des Hainteny d’autrefois. La démarche #Tany_Teny_Tantara se doit de mettre en exergue la langue malgache. Thème de l’âme et version du coeur sur le mode de celui qui, en quête «hitady ny very», avait voulu «fiancer l’esprit (des) aïeux à (la) langue adoptive».
Paroles pour chant, dis-tu ô langue de mes morts,
les idées depuis longtemps conçues
et qui naissent enfin et grandissent
avec des mots pour langes
tonon-kira mba ho enti-milaza
ny hevitra efa notorontoronin’ny saina efa ela
izay teraka izao ka mitombo
mitanty teny
Hatramin’ny taona 1931, ny gazety «Ny Fandrosoam-baovao», niarahan-dry Ny Avana Ramanantoanina (1891-1940) sy ry Rabearivelo (1901-1937) ary ireo namany hafa tahaka an-dry Charles Rajoelisolo (1896-1968), no nanofahofa ilay hoe «mitady ny very» «teto anivon’ny riaka».
Ny diampenin-dRabearivelo tamin’ny teny frantsay no nampanako ampitan-dranomasina, andafin’ny riaka, ny lahatsoratra malagasy : «Mikalo tokoa ny fanahiny, velovelo gasy, vazaha fitanisa, tsy mila rima».
Hampifamofo ny tarian’ny Ntaolo sy ny abidia vahiny indraminy. Ho folahana kosa anefa hanaraka ny gadon’ny tenin-drazana.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja