Na inona lesoka, na akory madilana, raha mbola misy manoratra sy mamaky amin’ny tenin-drazana dia velona ny teny gasy. Ezaka iray hafa ary dingana manaraka ny fiezahantsika isan-tokantrano hitaiza ny taranaka fara aman-dimby amin’ny teny nolovaina tamin’ny razana nialoha lalana. Tsara anterina hatrany hatrany fa teny iray hafakely ny tenintsika, tsy nindramina tahaka ny an’ny firenena sasany voatery mampiasa ny tenin’ny mpanjanaka mba hifaneraseran’ny mpiray firenena. Teny mahaliana ny mpikaroka noho ny fihavanany akaiky, tsy mba tetezina akory, amin’ny teny any Azia atsimo atsinanana na dia elanelanin’ny Ranomasimbe Indiana sy ny taonjato maro tsy nifaneraserana intsony aza.
Fitaovana hary fomba am-bavantsika ny teny gasy, sady tombontsoa no rehareha ka sanatriavina ny hanosi-boho-tanana ilo mby an-doha. Ny fijoroantsika amin’ny tenin-drazana dia mety ho soa fianatra amin’ny lafiny hafa rehetra amin’ny fiainam-pirenena. Rehefa tanteraka izay ezaka izay, ilay famaharana amin’ny an’ny tena aloha, dia roso tsy amin’ahiahy isika hivelatra amin’ny vazan-tany efatra araka ilay tarigetra mahafinaritra loatra hoe “andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa feheziko”.
Tsy hiresaka fambolena aho, tsy hitanisa varotra akory, tsy hamisavisa indostria. Lasa saina fotsiny amin’ny herin’ny «marketing» manodidina ilay hoe MAGA : «Make America Great Again». Adino sahady fa nifanindran-dalana tamin’io, fony mbola nitsapatsapa serasera ny mpomba an’i Donald Trump, dia ilay hoe : «America First». Amerika aloha, fa tsy ny tany hafa.
Madagasikara aloha, ny Malagasy aloha, ny teny gasy aloha. Fiadiana samy manana, fa ny fitaovana no tsy mitovy. Hatreto, ary tsy alohan’ny taona vitsivitsy maromaro, tsy mbola hanana hery ekonomika sy ara-tafika na amin’ny isan’ny Oniversite, isika hifaninanana amin’ny Amerika, na Eoropa, na Shina.
Fa ny Tany-Teny-Tantara mampiavaka antsika, mampiavaka antsika avy hatrany ary mampiavaka antsika tanteraka. Ny dia lavitra indrindra, hono, dia manomboka amin’ny dingana voalohany. Tany-Teny-Tantara : antsika ny safidy.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja