Ny fefiloha sy ny hitsin-dalan’ny rano

Tsaroako fa toa vao iray volana lasa izay ity lahatsoratra ity : «Mahalasa eritreritra ny vaovao hoe misy sahy nanapaka ny fefiloha ho lalan’ny fiara. Ny tangirika dia lavaka kely natao handehanan’ny rano amin’ny fefiloha ; fa ny tangoloaka dia «loaka mangotana» atahorana hanjera tamboho na handrava fefiloha. Fa dia efa saina inona loatra, sa ny toetr’andro ankehitriny kamboty «éducation civique» ka nilaozam-pahendrena, no alehan’ny lohan’ny sasany handavaka fefiloha. Efa mihoatra lavitra ny resaka fanajana lalàna mantsy izany, efa amoron-tevana manasaraka ny mbola «sivilizasiôna» sy ny efa «barbaria» (zahao Mamalan-kira, Fefiloha «sivilizasiôna» sy tevana «barbaria», 22 febroary 2025).

Tao anatin’izay andro vitsy farany izay, nifandimby vaky ireto fefiloha ireto : Anjanamaitso-Ampitantafika, Ambohidava-Ambohimangidy-Ampitantafika, Ankadivola-Ambohijanaka.  

Ara-Tantara, dia efa notsiahivintsika fa «tsy dia fitaovana mankaiza no nampiasain’ny Ntaolo nanangana ireny fefiloha ireny. Andro  lohataona marivo rano no miroboka Ikopa na Imamba na Varahina na Sisaony: «natsangana ny hazo naorina roa tonta, andrefana sy atsinanana, hazo mitsangana nampiana hazo mitsivalana, ary ny elanelana nasiana bozaka sy rihitra be fako sy hazo madinika, dia notsinindry tany io no tononta ny tany, dia nasiana tsihivitrana any ivelan’ny hazo amin’ny iavian’ny rano» (Tantara Ny Andriana, takila 748). 

Inona no mety nahavaky ireo fefiloha ireo ? Ny ranotrambo avy any ambony atsinanana ihany ve, sa noho ihany koa ny rano tsentsin-dalana any ambany andrefana? Iaraha-mahalala mantsy ny zava-misy, efa am-polo-taona maro : ny fefiloha lasa nananganana trano, ny fefiloha nokikisana hidiran’ny fiara, ny lalan’ny rano voabahan’ny trano tsy nahazoan-dalana ary helingelenin’ny ranontany nanatofana ny tanimbary, ny heniheny, eny, hatramin’ny farihy. 

«Projet présidentiel» nialoha ny fotoana, satria efa-jato taona lasa, ny fananganana sy fikoloana ary fiarovana ny fefiloha. Voahajantsika taty aoriana, antsakany sy andavany ve, izany fikajiana azy toy ny anakandriamaso izany ? Ny tetibola fitokanana mantsy, haintsika, fa ny petra-bola fikarakaràna, ambinambin-javatra. 

Ao anatin’ny anarana hoe «Ikopa» dia misy foto-teny midika hoe «fotaka» : io ilay nahatonga ilay ohabolana hoe «ranon’Ikopa, mavovavo rehefa tongan’ny namana». Etsy andaniny, ny fanonona ilay anarana hoe «Sisaony» dia efa mandiso ny eritreritra : tsy «Sisôny» fa «Sisa-Ony», izany hoe ranobe, rano mandeha, rano mahery. Ireo renirano roa ireo no mamahana ny lemak’Antananarivo ary nimasoan’ireo Mpanjaka nifandimby ho tatarina amin’ny fefiloha. Fa ilay Betsimitatatra, tanimbary midadasika, aza moa novolena lalana, nanorenana trano. Tsara tototra tokoa angamba, raha mason’olombelona ; saingy hitsin-dalan’ny rano mody matory ka indain’ny rotsak’orana hifoha. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne