Fefiloha «sivilizasiôna» sy tevana «barbaria»

«Ary izaho no manao ny fefiloha, hoy Andrianampoinimerina : ny fefiloha no mahavoky anareo ambaniandro, fa ny rano no entina manetsa ny vary, koa ny vary no mahavoky ny ambaniandro. Koa ny hanaovako ny fefiloha, ho ranombarinareo» (Tantara Ny Andriana, takila 746). Ny fefiloha dia efa nisy talohan’Andrianampoinimerina, izay nanjaka teny Ambohimanga sy teto Antananarivo ny taona 1785-1810. Saingy, araka ny fahita matetika ao amin’ny Tantara Ny Andriana (TA) dia ny mikasika an’Andrianampoinimerina no voatanan’ny lovantsofina izay natomboka nangonin’i Mompera François Callet ny taona 1868 ka hatramin’ny taona 1883. 

Tsy atao mahagaga izany satria, tamin’ny andro nitsidihan’i Callet ny ambanivohitr’Imerina, dia vao dimampolo taona no niamboho Andrianampoinimerina. Roanjato taona mahery aty aoriana aza, rehefa mitantara, anefa tsy tena mahay tsara, dia tsotsorina ho «tamin’ny andron’Andrianampoinimerina» avokoa izao rehetra izao. 

Mba hampahazava kokoa ny resaka manaraka dia tsara ihany raha topaza-maso ny tetiarana: Ralambo niteraka an’Andrianjaka, Andrianjaka niteraka an’Andriantsitakatrandriana, Andriantsitakatrandriana niteraka an’Andriantsimitovy I, Andriantsimitovy I niteraka an’Andriamasinavalona, Andriamasinavalona niteraka an’Andriantsimitovy II, Andriantsimitovy II niteraka an’Andriambelomasina, Andriambelomasina niteraka an-dRanavalona (na Rafaravavy), izay renin’Andrianampoinimerina. 

Atsipalotry ny lovantsofina indraindray eny ireo nialoha lalana azy. Tahaka ny hoe «Andrianjaka, nihady an’Ankadimbahoaka (TA, 238). Na koa hoe Andriantsitakatrandriana nanao ny fefiloha andrefan’Ankadimbahoaka ary nanana ho tanimbary an’Ankaibe, andrefan’i Soanierana (ity dia anarana vao taty aoriana tamin’ny andron-dRadama I) ; «Andriantsikatrandriana no nahitana ny tanimbary eo Betsimitatatra» (TA, 275). Toy izany koa : «Ary hoy Andriantsimitoviaminandriandehibe : Izaho milaza aminareo ry Merina, fa hanampy ny fefilohan’Andriantsitakatrandriana aho (...) Andriatsimitoviaminandriandehibe no nahavary an’andrefan’Ankadimbahoaka»(TA, 282). 

Teny Alasora hono, fony mbola niandry Fanjakana ka nitoetra ho Andrianjakanavalondambo ilay ho Andriamasinavalona taty aoriana, dia efa nanao fefiloha ihany koa izy : «dia natomboka ny tato atsinanan’Ambohitrandriananahary, dia nihady ny any Tanjonandriana, dia nanao ny fefiloha midina hatrany Andriantany, fa heniheny daholo hatrany hatrany, afa-tsy ilay fefiloha nataon’Andriantsitakatrandriana raibeny teo Ankazotoho (TA, 747). 

Tsy dia fitaovana mankaiza no nampiasain’ny Ntaolo nanangana ireny fefiloha ireny. Andro  lohataona marivo rano no miroboka Ikopa na Imamba na Varahina na Sisaony : «natsangana ny hazo naorina roa tonta, andrefana sy atsinanana, hazo mitsangana nampiana hazo mitsivalana, ary ny elanelana nasiana bozaka sy rihitra be fako sy hazo madinika, dia notsinindry tany io no tononta ny tany, dia nasiana tsihivitrana any ivelan’ny hazo amin’ny iavian’ny rano» (TA, 748). 

HITOHY

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne