Fofon-tany mando koa mba tiako rehefa ho volana desambra... Ny hiran-dry Lôlô sy ny Tariny moa dia hoe «Fofon-tany mando mba tiako rehefa volana oktobra». Isika ity efa herinandro sisa tsy ho desambra vao mba mitaika ny orana.
«Mihomehy tany vaky», hoy ilay fitenenana. Nahavita nitsangana aho teo vao nandre «orana mitendry ny fanitso». Efa ela loatra no niandrasana, nantenaina, niandrandràna, ranon’orana. Maina, mitresaka ilay tany vaky nilaozana hamandoana. Atambo fa tsy loza.
Raha io tononkira io, tara roa volana izany ny orana eto Antananarivo, raha oharina tamin’ny efapolo taona lasa. Fanoharana tsotsotra, fanoharana entin-tononkalo, mety hoe tsy ara-tsiansa, anefa dia iainana isan’andro, andavanandro.
Ravina maina, taho miferin’aina, faka mitsentsitra fasika. Raha izany no mitohitohy mandavantaona, inona intsony moa ny zavaboary mbola ho vetsovetsoina eto. Anefa dia ankalazaina sy maha fanta-daza an’i Madagasikara.
Mitohana any izay ny fifamoivoizana. Mingosy ny mpody hariva. Anefa, raha tsy misy orana, tsy misy fambolena, tsy misy rano hantsakaina, tsy misy hamokisana an’Ikopa, Mandraka, Antelomita, mbola miantoka ny herinaratra.
Orana nihantona ela loatra ka manavandra. Havandra matevina. Ampy mamono doro-tanety. Ampy ihany koa manimba zavatra sasany.
Isan-taona, indroa isan-taona, misokatra ny lanitra, mba mahazo aina ny tany. Dia indreo mitamberina ny lahatsoratra isan-taona.
«Ranon’orana lasa an-driaka satria very dobo» (11.01.2023) : Farihy-dobo-kamory midadasika, hanangonana ranonorana. Vakini-Varahina, Vakini-Sisaony, Vakini-Mamba, Vakin’Ikopa. Rano hanaranam-po. Mantasoa faharoa. Mandroseza fanampiny. Tsiazompaniry sosona. Iny faritra manolotra an’Ikopa sy Sisaony, tobin-drano tsy hita velively !.
«Farihin’orana, ranobe mangeniheny» (06.01.2024): Very fotsiny an-tatatra indray io rano-aina io. Raha izao mantsy anefa no mba natomboka ilay «ranomasina am-pototr’i Manjakamiadana». Hevero vetivety anie izany farihy-kamory-dobo midadasika izany, hanangonana ranonorana. Dia ilay rano ilaharana, anefa io ny orana hanaranam-po. Rano ve moa tsy hidina, saingy azo sakanana tsy hisinda avy hatrany, hazonina mba hisy ampahany tamana, hamonto ny tany, hanainga lavitra ny rahona. Mba tsy ho izao rano jerem-potsiny hivarina an-dranomasina izao lalandava. Tatatra arivo, sakelidrano zato, farany tsy maintsy riaka. Aiza loatra re ireo «ranobe mangeniheny», hitsinjovana ny vodiandro tsy ho merika intsony fararano.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja