Feno 65 taona amin’izao 2024 izao ny FPMA (Fiangonana Protestanta Malagasy Andafy). Andafy, an-dafin’ny riaka, izany hoe ivelan’ny Nosy Madagasikara. Tsy mahagaga raha Frantsa, izay ahitana be indrindra ireo Malagasy am-pivahiniana, no nipoirany voalohany, aprily 1959.
Ankoatra ny fitaizana finoana kristiana (protestanta), manazatra ihany koa ny sofina sy lela gasy tsy hanadino ny tenin-drazana. Ny fotoam-pivavahana isan-kerinandro, ankoatra ireo sampana samihafa iaraha-misalahy, dia isan’ireo sehatra ahafahan’ny Malagasy mampiasa ny teny izay efa nahavitana dika ny Baiboly hatramin’ny 1835.
Isika somary gaga mahita ireo zanaka Sinoa sy Karana tsy manary ny tenin-drazany no sady mahay mampiasa ny teny gasy ihany koa. Matetika loatra ny antsika, mahay teny frantsay (na anglisy) no manjary mibadabada sisa ny teny gasy. Sanatria toy ny hoe enta-mavesatra tsy maintsy nisafidianana izay ho atao entana.
Tandremo mba tsy to tahaka ny Ariary sy Iraimbilanja, tsy mivoaka akory an’Ivato dia efa tsy manan-kery. Ny #Tany_Teny_Tantara dia vatsy enti-mandeha, entana tsy tokony hanahirana satria tafiditra an-doha ary latsaka am-po.
Fihirana, Toriteny, Vaovaom-piangonana: lavitra an’i Madagasikara vao tena mahatsapa ny hatsaran’ny feo gasy. “Madagasikara tany nihavianay, Frantsa tany mandray anay” : vavaka tora-po mifanojo ary mifameno amin’ilay filamatra hoe “andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko”. Lolohavina ny an’ny tena, mba tsy ho andrasana dify vao hifandimby “mitady ny very”.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja