Filàn’ny very fanahy

Taloha, rehefa miala an’Ambatolampy hihazo an’Antsirabe, ka mandalo amin’iny Ihazolava-Ambohimandroso iny, hatrany Sambaina, dia ohatran’ny efa fambara ilay Renivohitr’i Vakinankaratra (Betafo no Renivohitra faha Tany Gasy) ny fisian’ny ireo alan-kesika amin’ny andaniny sy ankilan’ny arabe. Izao ka tanety mangadihady, vovoka afa-drakotra, sisa no tazana ombieny ombieny. Lany ny hazo, hanin’ny olona. 

Fahantrana, fitombon’ny mponina, filàna afo. Angamba fony vao nigadona teto amin’ity Nosy ity mihitsy ireo Razamben’ny Razambe, dia efa vory ireo fepetra ireo. Roa Arivo taona aty aoriana, mba nantenaina hisy hoe «fahatsapan-tena», «fitsinjovana ny ho avy», «fiheverena ny lova ho taninjanaka», na dia noho ny famerimberenana isan’andro efa amam-polo taona maro ihany aza ny hafatra mba fanabeazana. 

Teto amin’ity lahatsoratra ity, tsy haiko intsony impiry impiry no mba nandray anjara amin’ity ady lehibe amin’ny doro-tanety sy fandripahana ala ity. Ireo marobe nialoha lalana tamin’izany, efa lasan-ko razana ny ankabeazany. Mino marimarina aho fa tsy ho hitako dieny mbola fahaveloko ny fitsaharan’ny doro-tanety sy tevy ala ary ankasomparana amin’ny tontolo iainana eto Madagasikara.

Raha niverina avy any Antsirabe dia kilometatra maro mbola tsy tonga an’Iharanandriana akory dia efa hita manazava ny alina, ery amin’ny vodilanitra lavitra, ny afobe midorehitra anaty haizina. «Mamono tena leitsy ny Gasy», hoy aho mitantara amin-janako. 

Fa maninona loatra ny Gasy no mamono tena. Tokony hampalahelo ve sa tokony hahatezitra. Tsy fidiny sa tsisy saina. Tsy lahatra akory ny etsetra etsetra, anefa toa voaozona hanao voalavo fanahy.

Ho soratana an-tampin-kandrin’ny sasany angamba, vao ho tafiditra an-tsaina, ny hafatra sesehana, na dia hatramin’ny naha Repoblika fotsiny, mba tsy hitanisana ny tamin’ny Fanjanahantany sy ny Didy fony faha-Mpanjaka. Mbola afaka mamaky teny ihany koa ve anefa sa efa jamban’ny fitadiavana sy filàna tsy misy ilay «fanahy maha olona» intsony. Satria tokoa, na boky inona na soratra oviana, ka mitanisa ny ala sy tontolo iainana eto Madagasikara, dia tsy ilaozan’ny filazana hoe «kaoka ny tanety, tototra ny tanimbary sy tanimboly, ritra ny loharano, noho ny doro-tanety».

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne