Miiba iray na manatombo roa Celsius izany dia efa manova zavatra ? Tamin’ny lahatsoratra herinandro lasa aho nanatsidika ny mari-pana tamin’ny taona 1950, amin’ny tonontaona tahaka izao.
Mari-pana ankehitriny sy tamin’ny 74 taona lasa : 24 ka hatramin’ny 31 jolay 2024 : ambony indrindra 25°C - ambany indrindra 7°C (meteoart.com) ; 24 ka hatramin’ny 31 jolay 1950 : 23°C - 6°C (Bulletin de Madagascar, n°15, 16 août 1950).
Ohatran’ny mba marina ihany ilay fahatsapana mihatra. Sendra ny sarin’ireo namana nanatrika ny «afondasin’Andohalo 2023» aho dia mahita kosa fa mbola nibonoka akanjo mafana ry zareo ny 5 aogositra 2023. Teo, 5 aogositra 2024, vao maraina, tsenain’ny rivotra mainan’ny fofon’ny doro-tanety any Ankazobe ; hariva, tsy dia mamirifiry mankaiza, hany ka vitan’ny landy fehitenda sy ny «cachemire» manafy tratra.
Ny GIEC (Groupe d’experts intergouvernemental sur l’évolution du climat), izay teraka tamin’ny taona 1988, dia efa nanamarika fa ny taonafolo 2011-2020 no nafana indrindra tao anatin’ny 125.000 taona farany teto ambonin’ny Tany. Ary ny fiakaran’ny mari-pana ho +1,5°C dia ahiana ho tratra alohan’ny taona 2030.
Ny fivoriana COP nifandimby, nanaraka ilay «Fivoriana an-tampony ho an’ny Tany» tontosa tany Rio de Janeiro (Brésil) tamin’ny 1992, dia mikasa hitazona ambanin’ny +2°C ny fihafanan’ny mari-pana, raha atahorana sahady ho +3,5°C izany amin’ny taona 2100. Izany hoe, afaka 75 taona fotsiny.
Abo, iba, mijotso, misonga : ny doro-tanety any Ankazobe sy ny tevy Ala atsinanana ve mandray anjara amin’ny fiakaran’ny mari-pana manerana izao tontolo izao ? Firy taona firy taona izany no efa nohazavaina sy nampianarina, fa ahoan’ny sasany inona. Ny Gasy moa izany, na tsy manana indostria aza, anisan’ireo manimba ny tontolo iainan’ny zanak’olombelona : tafiditra manontolo amin’ny «principe des responsabilités communes mais différenciées» (samy tompon’andraikitra saingy araka izay tandrify azy) isika. Fa raha izao fanimbana ankitsirano sy tsy am-piheverana izao, sanatria fanahy iniana, tsy hita soritra aiza ho aiza ilay «principe du droit au développement»: zon’ny firenena an-dalam-pandrosoana hiroso. Hiroso tokoa, fa hiroso mankaiza.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja