Rano madio very an-tatatra

Herintaona katroka, 31 mey 2023, aho no nanaitra voalohany ny Jirama hoe misy fantson-drano vaky ka very an-tatatra fotsiny ny rano madio.

Ny tena moa, toa mba tsara taiza, mampandre ny tompon’andraikitra rehefa misy fananana iombonana misy tsy fitezana. Ahoana koa moa no ho sarotiny amin’ny vatolampy fandrian-drano an-kavoana raha hijery fotsiny ny rano vaky etsy an-tokotany. Na hitaraina amin’ny ala ripaky ny tavy ; na hisaona ny gidro sy ny sahona ary ny vorona ; na hatahotra ho latsain’ny zavamaniry raokandro ho foana sy ny tantely ho faty, raha hanao hodian-tsy hita ny eo ambany maso.

Tonga indray mandeha ny Jirama dia nanao fanamboarana vonjivonjy maika fotsiny. Tsy ela dia niverina nikoriana an-tatatra indray ny rano madio. Nampilaza fanindroany sy fanintelony aho telo volana lasa dia nahazo valinteny indray avy amin’ny “Jirama Ofisialy” : “Manaja, voaray, misaotra” etsetra. Narahin’ny “référence” vaovao, 24 551 55, izay tsy mitovy amin’ilay tamin’ny 2023.

Indray andro, nisy mpiasan’ny Jirama niantso sady nanontany hoe aiza marina etsetra. Kinanjo, amam-bolana aty aoriana, mbola misasasasa ny rano madio very an-tatatra.

Toa hoe tsy tongan’ny rano eny Ampandrana-andrefana. Tapaka matetika ny rano eny Ankadilanana. Voatery mantsaka aty Antananarivo ny olona eny Ambohidrapeto. Hitaomana rano amin’ny “citerne” eny Ambatobe. Milahatra “bidon jaune”, efa zary ho endrika ankehitrin’ny “Grand Tana”, hatraiza hatraiza.

Fa ny anay, ny rano madio filomanosan’ny fody ary fandroan’ny voromailala. Marary ny fo mandre ilay rano mainka mandeha mafy, rehefa alina ny andro, satria hoe mamatsy “borne-fontaine” any ambadika any io fantsona mandalo eto io : rehefa milahatra ny mpantsaka-rano any dia mihena ny rano very aty ambony ; rehefa tapitra mody manokom-bary sy misaika ny olona dia feon-drano an-driana no mandrotsirotsy ahy tsy mahita tory, lasa saina sy very hevitra ary malahelo amin’ny tsy firaharahian-javatra eto amintsika.

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne