Tahotry ny repoblikana: handevim-belona ny Demokrasia

Na isan’ireo sokajian’ny maro ho mpanonofy sy vendrana aza ireo izay manantitra fa tany demokratika i Madagasikara, dia tsy mahamenatra ahy ny milaza fa isan’izy ireo aho. Taranak’ireo sady nanoratra tanatin’ny vanim-potoana saritsarim-pahaleovantena (literatiora), no namaky ny « Tantaran’ny Andriana » ; hany ka kely ny tena dia mba nahavita nanavaka ny demokrasia amin’ireo rehetra tsy mitovy, na farafaharatsiny izay mifanipaka aminy. Isan’ny fampitaha voalohany tamin’izany ny fitondrana faha-mpanjaka, izay niraikitra tan-tsaina fa tsy « demokrasia » ; mbola taty aoriana rahateo vao niampy ny fahalalana ny « Repoblika », izay mora nafangaro tamin’itsy farany fony fahakely. Tamin’izany rahateo no nanomboka narafitr’ireo mpitaiza sy mpanabe isan-tokony (ray aman-dreny, mpampita fahalalana, boky, horonan-tsary fanadihadiana, sns.) fa « Firenena nisafidy ny rafitra repoblikana manaja ny demokrasia i Madagasikara », hatramin’ny niverenan’ny fahaleovan-tenany. I Madagasikara resahina eto dia ilay avy nozanahin’i Lafrantsa nandritra ny efatra amby enimpolp taona, ka nandova zavatra maro avy amin’ilay « reny malalany » : rafi-pitondrana, rafi-pampianarana, didy aman-dalàna, sns. Asa nahoana no vitsy mpampahatsiahy fa demokrasia vao erotrerony, ary repoblika vao miana-mandeha noho izany ny an’i Madagasikara ; raha hoharina amin’ireo firenena niaina sy namolavola ny azy efa ho aman-jato taona nifandimby. Isan’ny mandiso ny fiheverana sy ny adihevitra mahakasika ny demokrasia eto Madagasikara mantsy izany raha ny hevitro.

Na tiana na tsy tiana dia toa nandeha ho azy ny fandikana sy fampitahana amin’i Lafrantsa amin’izay rehetra natao, ka nahakasika ny rafi-pitondrana sy ny singa samihafa mandrafitra izany. Mbola mitohy izany ankehitriny : na ny mpitondra mifandimby sy ny mpomba azy, na ny mpanohitra azy ireny, toa samy malai-misaraka amin’ny vazaha (teny, fomba, fanao, fihevitra, fianarana, asa, fitaovana, tohana ara-bola, sns). Ankehitriny toy ny fanaon’ny frantsay rehefa fifidianana solombavam-bahoaka, dia mandefa mpikambana anatin’ny governemanta, hihazakazaka ho eny Tsimbazaza ihany koa ny antokon’ny mpitondra eto amintsika. Heverina ho mahamari-toerana ny fitondrana izay mijoro mantsy raha mibata fandresena amin’ny fifidianana isan-tokony eny ifotony ny antoko miara-dalana aminy ; indrindra moa raha misy olom-boatendry toy ny minisitra, mandray anjara amin’izany fifidianana izany, ka mibata fandresena. Raha sanatria nefa ka tsy izay no mitranga, mametra-pialana avy hatrany ireny kandida ireny (raha ho an’ny frantsay manokana) ; takian’ny fisainana repoblikana sy ny fomba demokratika mantsy izany. 

Ahoana tokoa moa no azo hiheverena hanendry hiverina anaty governemanta indray, kandida tsy nomen’ny vahoaka fitokisana hitondra ny teniny eny amin’ny Antenimieram-Pirenena ? Sarotra izany ho entin’olona tsy atokisana izany, mainka moa raha efa nabaribary tamina fanehoan-kevitra tena demokratika ; fa tsy ilay safo be mantsin’ny « hetahetam-bahoaka » dradraina araka ny tanjaka sy ny haben’ny fanamafisam-peo mbamin’ny haino-vaky-jery ampelan-tanana sy ambany faladia. Izany ankehitriny no tahotr’ireo lazaina ho mpanonofy toa anay, mankatoa fa tany demokratika i Madagasikara ; ary voasokajy ho vendrana raha manantena fa soatoavina hotandrovan’ny mpanao politika rehetra ny sata repoblikana. Tsy maintsy lazaina izany sao tototry ny adihevitra momba ny voka-pifidianana ; tsy maintsy ventesina izany sao takon’ny fitokanana etsy sy eroa. Tsy ireo mantsy no tsy misy dikany, fa mbola tanora kanefa osa loatra ny demokrasia malagasy, ka sao ho folaka an-datony… tahotry ny handevim-belona e !

par RANAIVOSON Jean Fidélis

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne