Rindrina manimba «perspective» etsy Analakely

Raha maka sary manoloana ny Colosseo dia fantatra avy hatrany fa any Roma (Italia). Raha maka sary manoloana ny vavahady « Brandenburg » dia hain’ny olona hoe any Berlin (Alemaina). Raha mijoro manolona ny 

« Tour Eiffel », iza moa no tsy hahalala, fa any Paris (Frantsa) izay. Ny «Colosseo» naorina tamin’ny taona 72 taorian’i J.-K. ; ny « vavahady Brandenburg » vita tamin’ny 1788 ; ny « tour Eiffel » mandravaka an’i Paris hatramin’ny 1889. 

Toerana manan-tantara avokoa ireo, ary samy zava-bita miavaka, fanta-daza maneran-tany. Raha eto Antananarivo, inona avy no toerana azon’ny mpitsidika hangalana sary fahatsiarovana ka ho asehony amin’ny havana aman-tsakaiza rehefa tafaverina any aminy ? Ny lapan’i Manjakamiadana no voalohany indrindra : isan’ny lapa hazo avo indrindra (41 metatra) maneran-tany tamin’ny fotoan’androny (1839) ary mainka moa tazan-davitra manodidina, hatrany amin’ny 18 kilometatra miala an’Antananarivo, hatramin’ny nandrakofana azy ho vato, asa natomboka tamin’ny 1869. 

Raha zavaboary dia azo tanisaina ilay renala lehibe ao Mahajanga, indrindra fa eto Madagasikara ny « baobab » enina amin’ny valo misy manerantany. Na ireo renala manao matso akaikin’i Morondava. Zavatra miavaka.

Dia gaga aho mahita ny «zava-bita» etsy Analakely, manoloana ny Lapan’ny Tanàna. Mbola hita sary amin’ny « carte postale » ary ifampizarana amin’ny takila « Sary Taloha » ny Lapan’ny Tanàna fahiny, izay notokanana tamin’ny 1936 : manodidina teo ireo mpivady vao no naka sary fahatsiarovana, rehefa vita sonia ara-panambadiana. Talohan’ny mey 1972 moa izany. 

Ity rindrina vaovao manimba « perspective » (fahitan-javatra lavitra), manolona ny Lapan’ny Tanàn’Antananarivo ity, dia mampatsiahy ilay rindrina natsangana am-pidirana an’Antsirabe. Rindrina tsotra be, tsy mila fahaizana manokana, tsy misy akora sarobidy, tsy misy hatsaran-tarehy miavaka. Raha any Antsirabe, miavaka lavitra kokoa ny « Hôtel des Thermes » na ilay tsangambaton’ny fiverenan’ny Fahaleovantena. Raha haka sary aho dia ireny no ataoko fahatsiarovana fa tsy rindrina « pièce rapportée », peta-toko. 

Toerana manan-tantara, zava-bita miavaka. Mila averina ihany koa ny fitaizana amin’ny kanto sy meva ary soa.  

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne