Izaho tsy tompon-trano mihono Ankibonimerina

Sendra teny Sabotsy-Namehana, station Jovena, ampita QG kandidà Hajo Andrianainarivelo, aho ny 10 mey lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany. Izaho moa tsy mba mpanaraka izay hiran’ny kandidà izatsy, na hiakam-pitoloman’ny kandidà izato, efa hatramin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika tamin’ny 2023. Eny, fa na dia ny fifidianana talohan’izany ihany koa aza. Ny ahy mantsy, HEVITRA fa tsy hira na dihy na hatsikana. Hay, ny zanako lahy nahalala. Hoy izy, avy hatrany, sady gaga : « Fa angaha miaraka amin’i Andry Rajoelina indray Hajo ? ». Tsia, saingy nifangaro ny tanan’ny DJ : hira tamin’ny « prestation » taloha no sondrovaka naverina amin’ny « karama » ankehitriny. 

Sendra restaurant tsotsotra eny amin’ny bypass indray aho afak’omaly. Nisafidy mazava hanohana ny kandidà mpanohitra ny tompony. Radio manome sehatra ireo tsy mpomba ny fitondrana no avy hatrany dia mitsena ny olona hisakafo (na dia mody misy fanazavana sy fiantsoana aza hoe « radio commerciale » ka afaka manatona ny rehetra). Teo aho vao nandre ilay « hymne » an-dry zareo hoe « Kôlektifa » (mbola ny zanako lahy ihany no nanontany hoe fa angaha tsy misy teny gasy mahadika ny « collectif »). Tsy tiako aloha ilay hira : tsy miteny amiko teraka an-kibon’Imerina ilay gadon-kira. Ohatran’ny nanome rariny ahy avy hatrany fa, vao tapitra ilay dokam-barotra fifidianana, dia hira « Kalon’ny Fahiny » enina no nisesy. 

« Raha nakarin’ny vintana » (Ossy & Jeanne Naly), « Noho ilay fitiavana ihany » (Henri Ratsimbazafy). Ilay fahatelo, tsy tadidiko fa hiran’ny Kintana telo. Avy eo dia « Ihomehezako fotsiny » (JJ Tseheno), « Ho tsarovantsika eto » (Samuel Rahamefy), « Ny vady anie » (Naly Rakotofiringa). Hay isika mahay mandefa hira tahaka izany ihany ka maninona no manao tompon-trano mihono. 

Toro-hevitra, ho anareo kandidà (na ianareo mpanao « réclame », na ianareo « station-services », na ianareo « opérateurs téléphoniques ») : mba ataovy mifandraika amin’ny fomban-tany sy ny toetran’ny olona hivantanana izay heverinareo fa hanentanana azy. Fa tsy hoe Avaradrano sy Vakinisisaony, Marovatana sy Ambodirano, na Vakinimananara sy Vakinisahasarotra ary Vakiniadiana, dia hitovy amin’ny any Betsileo, na any an-tSakalava, na any Antankarana, na any Betanimena, na any Anosy. Ary, isak’ireo Faritra sy Foko voatonona ireo, sy ny valoambinifolo na roapolo hafa, afaka atao tsara mihitsy koa bà sahaza isan-tokony. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne