Japana sy Japanesa : soa fianatra

Mivahiny eto Madagasikara ny Ministry ny Raharaham-bahiny japoney, Ramatoa Kamikawa Yoko. Isan’ny toerana notsidihiny ny Oniversiten’Antananarivo, izay misy fampianarana ny teny japoney efa hatramin’ny 1992. Oniversite mira Fampianarana : ny Fampianarana sy ny Fanabeazana no kitro nifaharan’ny Japoney nahatonga azy amin’ny toerana misy azy ankehitriny manerana izao tontolo izao. Efa 135 taona lasa no nisy Malagasy nisarika ny sain’ny mpiara-belona tamin’ny fahombiazan’ny Japana sy ny fomba nahazoana izany. Soa fianatra. 

Tamin’ilay ady 1883-1885 dia resy toa tsy resy izany isika, vanimpotoana nisian’ny ady voalohany teo amin’ny Malagasy sy ny Frantsay. Raha Rainandriamampandry, tao Manjakandrianombana sy Farafaty aloha, tsy resy. Fa ilay teny nanafintohina hoe «protectorat» dia voatonona tao amin’ilay fifanarahana vita sonia ny 17 desambra 1885. Nekentsika toa tsy nekentsika ihany koa anefa ka, farany, nitarika ilay ady faharoa 1895. 

Tao anatin’izany sedra izany no nanoratan’i Dokotera Rajaonah (zanak’i Rainandriamampandry rahateo), izay avy nandranto fianarana tany Edimbourgh (1871-1882), ny andian-dahatsoratra mikasika ny «Japana sy ny Japanesa», volana oktobra taona 1889. Taty aoriana, taona 1913, 1914, 1915, dia noraisin’i Pastora Ravelojaona indray ireo fanehoan-kevitra mikasika ny Japana ireo, nentiny nanaitairana ny Vy Vato Sakelika. 

Iaraha-mahalala ny zava-bitan’i Japana hatramin’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa, taona 1945. Anarana tsy zoviana na aiza na aiza ny hoe Sony, Toshiba, Hitachi, Casio, Panasonic, Sanyo, JVC. Fiara malaza maneran-tany ny Toyota, Nissan, Mitsubishi, Mazda. Moto ikoizana eran’izao tontolo izao ny Kawasaski, Honda, Suzuki, Yamaha. Efa voambolan’ny lafivalon-tany ny hoe Bonsaï, Ikebana, Banzaï, Sushi, Karaoke, Sudoku, Surimi, Sushi... Samuraï, Ninja, Kimono, Karate, Judo...Kamikaze, Hara-Kiri, Seppuku...Geisha, Sumo...Manga, Pokemon, Anime...Zen. 

Nisokatra ny 9 novambra 1867 ny Vanimpotoana Meiji. Avy hatrany, desambra 1871 ka hatramin’ny septambra 1873, nandefa ny iraka nantsoina hoe «Iwakura» ny Japoney handinika sy hianatra izay zava-baovao hain’ny Tandrefana. Ny 27 mey 1905, resin’ny Tafika an-dranomasina japoney ny Tafika an-dranomasina Rosiana. Io no fandresena voalohany azon’ny Foko tsy fotsy hoditra tamin’ny Vazaha raha ny taonjato faha-20 manokana. Efapolo taona latsaka monja izany, taorian’ny fanombohan’ny «MEIJI» dia efa nifaninana tamin’ny firenena eoropeana i Japana. 

Anatra notsoahin’ireo zokintsika, Dr Rajaonah sy Pastora Ravelojaona, tamin’ny Tantara’ny Japana : ny fitiavan-tanindrazana, tsy manaiky lembenana mihitsy. Ny azy lolohaviny fa ny an’ny hafa vimbininy ihany raha hitany fa hahasoa tsy handrimbona ny azy. Tsy an’ady ihany no hainy, fa dia tafapetraka anivon’izao tontolo izao ny Kolon-tsaina japoney. Tafita ny hafatra. Soa fianatra.

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne