Trano Gasy zaridaina Ambohijatovo

Tamin’ny desambra 2022 aho no nanoratra mikasika ilay Trano Gasy tetsy Soarano-Tsiazotafo. Hoy aho tamin’izany : «Misy Trano Gasy iray, kanto sady miavaka, etsy Soarano-Tsiazotafo, nipetrahan’i Randzavola, Mpitandrina tao Ambonin’Ampamarinana sady Mpanoratra, saika hisy handrava. Nolavin’Antananarivo-Renivohitra* izany fikasana izany noho ny maha vakoka sady endriky ny vohitra ilay Trano Gasy ka asa ny Fitsinjaram-pahefana raha hanome rariny ny Vondrona Itsinjaram-pahefana mangataka hanan-jo amin’ny ny Didy Hitsivolana 82-029 (6 novambra 1982) mikasika ny fanavotana sy fiarovana ary fikojana ny Vakoka». 

Volana jolay 2023 : niantso ahy ny Ben’ny Tanàna, henoko hoe sahirana satria tsy ampy fehezan-dalàna ny Tanàn’Antananarivo hiarovana ny Vakoka amin’ny ankapobeny, ary ny Trano Gasy manokana. Tsy afaka mandrara intsony ny fandravana ilay Trano Gasy etsy Soarano-Tsiazotafo aho, hoy izy, fa manome toky aho fa asaiko manamboatra Trano Gasy mitovy amin’io eo amin’ny zaridain’Ambohijatovo ireo. 

Ilay Trano Gasy teo Soarano-Tsiazotafo moa tranon’olona. Namidin’ny tompony tamin’ny mpandraharaha Sinoa. Raha ampy fitaovana ny Vakoka sy ny Kolontsaina, tokony ho afaka vidiany avokoa ny Trano Gasy tandindomin-doza : simba am-pitoerana tsy misy mikarakara ; voarasarasa noho ny ady lovan’ny fianakaviana tsy mifankahazo ; vidian’olona tsy mihevitra izay Vakoka sy Kolontsaina na dia tahaka ny sila hoho aza. 

Janoary 2024 : tonga teny amin’ny zaridaina Ambohijatovo ny tenako, noho ny fanasan’ny Ben’ny Tanàna lefitra sy Tale roa. Indro mijoro anaty sahan’Ambohijatovo, Trano Gasy kapoka iray amin’ilay tetsy Tsiazotafo-Soarano. Avy eo, niakatra teny Antsahatsiroa indray : misy Trano Gasy iray hafa eo an-dalam-pahavitàna eo ambony atsinanan’Andranomalahelo, ilay farihy voalazan’ny Tantara Ny Andriana fa nampisotroin’Andrianampoinimerina vokaka sy nampilefonany omby (TA, 818-819). 

Maro dia maro raha ny olana sedrain’Antananarivo-Renivohitra : fako miavosa, tatatra tsentsina, lalana simba, fiara sy scooter ary sarety amam-posy mifanitsa-kitro, vahoaka tsy tambo ho isaina intsony mivangongo eto AndRenivohitra. Soa fa misy tahaka itony fanavotana ny Trano Gasy itony, izay mba mipaka kokoa amin’ny Hasin’Antananarivo, satria dia ny #Tany_Teny_Tantara indrindra. 

Ny «carte postale» Antananarivo : Ambondrona-Faravohitra ravahan’ny Trano Gasy tarafin’ny masoandro mody. Ny hoso-doko mampihetsi-po mampitsetsetra antsika, tsy sarin’ny Hilton, na Tour Orange, na «Trano fitaratra», fa ny Trano Gasy manao matso amin’ny tohatohabaton’Ambondrona sy ireo any ambanivohitra mbola otronin’ny tamboho gasy, ka mampitampody indray ny lasa. 

Sanatria misaona isaky ny mahita Trano Gasy viravirain’ny tsy manam-panahy. Dia mba faly kosa indray rehefa mahita Trano Gasy omena vahana, tahaka izao tontosan’Antananarivo-Renivohitra izao, etsy Ambohijatovo sy Antsahatsiroa. Dingana voalohany, mety ho ny lehibe indrindra, enti-manavotra an-tsaina sy am-pon’ny tsirairay ny Trano Gasy.

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne