Sarety, posy, kalesy, bajaj : Antananarivo 2023

Asa, iza no nanan-kevitra nanao iny sary photoshop iny : «autoroute» mizara lalana efatra ka ny sisiny havanana indrindra ahitana posy-posy na sarety, ny manaraka «bajaj», dia avy eo «taxibe» ary ny sisiny havia indrindra fiara «Maybach».

Tsy mifanalavitra loatra intsony amin’izany ny efa zava-misy isan’andro, izao taona 2023 izao, raha Antananarivo-Renivohitra sy ny manodidina. Ankoatra ny taxibe, izay efa fiara valo amin’ny folo mifanaretsaka eto Antananarivo sy ny manodidina, dia miverina any amin’ny enimpolo taona lasa isika otronin’ireto posy sy sarety manerana ny tanàna ireto. 

Sarety tanana mitondra kidoro mihoatra intelo ny velaran’ilay sarety : raha tsy hain’ny mpitarika sarety moa ny «code de la route» moa mba fantatry ny polisin’ny fifamoivoizana ? Eto ambany masoko ny boky «Instruction civique» (F. Lejas, J. Ramamonjisoa, R. Rarijaona), natao ho an’ny kilasy taona fahaenina tamin’ny 1969 : ahitana takila maromaro mikasika ny «code de la route» sy ny «prévention routière». Nampianarina dieny «collège» sy «lycée», tamin’izany. Tamin’izany. 

Saretin’omby mitatitra fasika sokirina etsy Ikopa, manahirana fifamoivoizana hatreny Soanierana-ambony ; saretin’omby mitaona vakivakim-bato avy amin’ireo «carrière» manodidina ny «PK 13», anelanelan’Iavoloha sy Ambohijanaka ary Imerimanjaka ; saretin’omby kodiarana fingotra : mety hoe tsy manimba ny lalana vita «goudron» tokoa angamba fa dia ratsy tarehy loatra miohatra amin’ilay soa ihany mbola fahita amin’iny lalan’i Miarinarivo iny. 

Fa tsy omby ihany no mitarika sarety, fa efa (sa mbola) olona ihany koa. Taona 2023. Saretin’olona mavesatry ny «légumes» nalaina Anosibe ho entina tsenan’Andoharanofotsy ; kalesy sarihin’olona sady atosik’olona feno korontan’entan’ny tsenan’i Mahamasina miakatra an’Ambohidahy ; sarety-olona mpanatitra «bidon jaune», solon’ny daban-drano taloha, ho an’ireo toerana maro dia maro tsy mitete na dia ivin-tsaka intsony  aza ny «robinet». 

Fa angaha moa sarety ihany ny fifamoivoizana 2023 eto amin’ny Renivohitr’i Madagasikara ? Bisikileta tsy misy jiro na «catadioptre» mitaona lohan’omby sy vatan-kisoa, miala vao mangiran-dratsy etsy Ankadindratombo. Tsy dia mahagaga ihany raha lavin’ny Eoropeana ny fidiran’ny hena gasy any aminy raha mahita fotsiny ny havoretrana ao amin’ny «abattoir» sy ny akanjo mihoson-drà entin’ireo mpitatitra mitsangatsangana eraky ny arabe.

«France Rider», anarana tonga fiantsoana itony kodiaran-telo fitateran’olona itony : tsy any ambanivohitr’ Ambohijanaka sy Ambohidratrimo ihany fa efa tafakatra Soarano. Hasarotin’ny fanafarana avela hiditra ao Toamasina ny asan’ny Ben’ny Tanàn’Antananarivo. Ankoatra ny posy sy sarety, izay miverina vokatry ny fahantrana mihamafy isan’andro, mbola ilaina hanampy trotraka ihany koa ny fifamoivoizana efa korontan-dava eto Andrenivohitra ve ny «bajaj», «tuk-tuk», «France Rider» ?

Hay, ny posy. Raha «carte postale» izy ireny fahiny, dia very laza ka saiky fitaomana entana tetsy Ambodin’Isotry sisa, nisy fotoana. Saingy nihanaka ny fahantrana, dia miha mahazo vahana indray ny fitaovam-pitaterana tamin’ny 1950. Tsikaritra efa elaela ho fitaterana teny  ambanivohitr’i Bevalala, saingy efa tonga manitsaka bypass sy miampita hatrany Ambohijanaka. Antananarivo sy ny manodidina, 2023. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne