Ny fitsikerana ny fitondrana, tsy tokony hihinanana amam-bolony ny mety ho lainga afafin-dranona na ranona. Vaninandro tahaka izao iainana izao indrindra no tokony ho mailo handanjalanja ka hahay hanavaka ny marina amin’ny fako : na asesiky ny mpitondra Fanjakana izany na atsidiky ny mpanohitra. Sarotra anefa, satria amin’ilay vaninandro tahaka izao ihany koa, no mitanila indrindra ny fo ka manelingelina ny saina.
Amin’ny vaninandro tahaka izao mantsy, alaim-panahy hanao hoe «rehefa tsy fotsy dia mainty» ny olona : noho ny alahelo, noho ny hatezerana, noho ny ratra manokana, noho ny finoana, noho ny fiandrandràna tsangan’olona. Ireo izay manao ankibe « mihatakataka fa lehilahy lehibe » dia lazain’ny atsy sy ny aroa fa misabaka, raha tsy hoe mpamadika mihitsy.
Ny tena moa, efa hatramin’ilay hoe «Ni Iavoloha, ni 13 mai», tamin’ny 12 aogositra 1991 (zahao Madagascar Tribune), dia miezaka hatrany miala amin’ny safobemantsina. Manahirana ny saiko, raha hanohitra olona iray bontolo, no hindrana anefa ny fomba bontolony. Tsy mety amin’ny nitaizana ahy ny handrorona hanambany tena hanarak’efa ny fomba mirefarefa. Ny tsy itovizana amin’izany indrindra, ny fialana amin’izany fanao sy fisainany izany, no ezahiko ho fahamboniam-panahy.
Haiko loatra, sarotra izany rehefa vontom-pinoana : tsy misy elanelana tafatsofoka satria « rehefa tsy fotsy dia mainty ». Na miaraka aminay, na fahavalonay.
Tsy ny ambara sy tantaraina ihany no tokony hahamailo, fa eo dia eo ihany koa ny tavan’ny olona omem-pitenena sy hanongilanan-tsofina. Tsy hoe akory manohitra marindrano ny tsy rariny androany, dia ho omena famotsorana amin’ny hadisoana na fomba ratsy omaly. Mba olona ahay mbola tsy nanitsakitsaka ny zon’ny olona na ny lalàn’ny tany no ho omem-boninahitra. Na dia famadibadihana loko fitafy aza mantsy ny vaninandro tahaka ny ankehitriny, dia tsy fanadiovana arina an-tava ny « tolona ».
Nasolo-Valiavo Andriamihaja