Soa fianatra ho enti-mody

Ny Sinoa hany hitan’ny Gasy dia ireo Sinoa-Gasy mpivarotra enta-madinika, mpiray Fokontany, efa natsangana ho zanatany. Na ireo Sinoa mpanao hanina, manomboka amin’ny «gargotte» kely ka hatramin’ny «restaurant chinois» lehibe. Sakafo tsy be fadifady ka tsy manavao tsiro ny teratany.

Na ireo Sinoa-vaovao tratra manao hosoka informatika avo lenta : sinambotra, ginadra, saingy lositra. Satria mahita hirika amin’ny makarakara efa goaka amam-polotaona, tafavoaka soa aman-tsara ny fonja, manjavona anatrehan’ny andrimaso, angamba efa tafiampita andafin’ny riaka. Tsy ireny Sinoa ireny ihany no mahay mihorirana amin’ny sisintany maharotsingala filefan’ny gadralava natao tadivavarana. 

Na ireo Sinoa mpanafatra vy mora folaka, plastika malaky tresaka, tariby elektrika maika hitsonika hiteraka «court-circuit», sy ireo entana maro samihafa tsy manaraka fenitra, izay adino rahateo no namaritra azy, ka dia tafiditra ambongadin-gaboraraka. Tsy ny entana sy fitaovana ihany, fa na biby handripaka ny teratany na mpihavy hisovoka tanindrazana. 

Tamin’ny oktobra 1889, fito amby telopolo amby zato taona lasa, rehefa tafaverina avy nianatra tany Edinburgh i Dokotera Rajaonah, zanak’i Rainandriamampandry dia nanoratra ny hoe «Japana sy Japanesa». Nomeny ho dinihin’ny mpiara-belona raha tsy mbola nisy akory izay Toyota, Yamaha, Sony : hisaintsainana izay tokony ho aleha raha te hanindran-dalana ireo firenena efa mandroso. Tady an-tandroky ny omby ary am-pon’ny mahalala ka noraisin’ny Pastora Ravelojaona indray dimy amby roapolo taona taty aoriana hampihetsika ny hambom-pon’ny Vy-Vato-Sakelika. Rainandriamampandry moa dia fantatra tamin’ny solon’anarana hoe «Ratiatanindrazana» ka nasain’i Gallieni notifirina ho faty tamin’ny 15 oktobra 1896, telopolo amby zato taona lasa. 

Tsy mbola hain’ny Gasy kosa ireo Sinoa tokony ho alain-tahaka. Izy ireo aza nianatra izay nataon’ny «Japana sy Japanesa» rehefa nifanehatra tamin’ny Tandrefana. Misy zavatra tsy mbola hain’ny tena ? Soa fianatra ho enti-mody izay any aminy ka handefasana iraka handinika ifotony hanatsaràna izay mbola lesoka an-tanindrazana. Hatramin’ny fiovan-tarigetra napetrak’i Deng Xiaoping dia nisokatra ary nianatra tamin’ny Tandrefana ny Sinoa : nandinika, nanarakefa, nanavao, nioitra ary ankehitriny tafasongona ny mpampianatra. Nody ventiny ny rano nantsakaina efa ho dimampolo taona lasa. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne