Lohataona ambaran’ny fodilahimena

Lohataona hoy ny fodilahimena. Na dia somary nandrasana elaela aza vao nisinda ny hirifirin’ny ririnina. Mahalasa saina rahateo tokoa raha tena ny fikorontanan’ny toetr’andro no antony sa ny vatana mitombo taona no tokony handinihan-tena. 

«Ô ry fody an’ala, aza homana ny varim-bahoaka ianareo» : roahina hody any an’ala ny fody, saingy ny ala efa tapaka ary ny hazo ao an-jaridaina mbola misy mandrantsana fa hoe «manakona». Roahina ny fody dia ho ampandrosoina ny voromahailala manao andiany mainka mandalotra maloto izay rehetra lalovany sa ho sokafam-tsimpampamaka ny maritaina tsy fanta-pihaviana saingy sahy mihaza ny androngo tompon-tany ? 

Manodidina ny tanàna ihany koa efa foana ny ala. Mivoaka lavitra vao mahita indray ny vorona tanisain’ny angano : hitsikitsika (sy ny ao raha), papango (sy ny filo nampindraminy akoho), goaika (sy ny zaitra fony kely).

Raha zohiana ny ohabolan’ny Ntaolo dia toa tsy mba taitra tamin’ny hatsaran’ny volon’ny fodilahimena ry zareo. Izay tsy ihinanan’ny fody ny vary eny an-tsaha no nibahana ny eritreriny. 

«Vato natoraka ny fody ka tsy matahotra ny vary ho raraka» (lasa nandositra vetivety ny fody ka avotra ny vary andrasana ; saingy ny vato natoraka ny fody ihany koa mety ho manimba ny saloham-bary...).

«Aza manao fodilahy mena vary ka manandrana alohan’ny tompony» (mbola eny an-tsaha, tsy miandry ny olona namboly hijinja ny vokatra, dia efa maka ny anjarany ny fody).

«Aza mandrara-komana, toa fody» (tsy tahaka ny akoho tokoa ny fody fa misy raraka rehefa mitsindroka. Hany ka efa sady mangalatra no mbola manary zavatra). 

«Resaky ny mpiandry fody tsy raharahan’ny mpiandry lambo» (ny vary no andrasana amin’ny fody fa ny voly hafa no andrasana tsy ho trongisin’ny lambo hany ka samy variana amin’ny anjara andraikiny). 

Toa tia mitoratoraka ny biby ihany koa ny Ntaolo ary mbola lovain’ny olona sasany ankehitriny tia mampijaly biby tsy amin’antony : «lasa ny kipikipy zato vao tonga ny voron-tsara dia» ; «torahan-tsy ho hanina, toy ny sorohitra ambony fasana». 

«Fihetsiketsehana fodilahimena, seza fiandrianana taho-mangahazo». Ity ohabolana iray manaraka ity no mba manome vahana ny fody : «Tsikirity momba fody : tsy tompon-dia fa mpanaraka». Misy mpanao politika sasany, mpanara-drian-drano nahazo anaram-bosotra hoe «tsikirity momba fody».

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne