Havoana : tendrombohitra tsy dia avo loatra (hauteur).
Lemaka : marin-tampona, tany marin-toerana hatrany zara raha misy ahitana lohasaha, ankandemponana (plaine).
Lembalemba: tany marin-tampona ambony havoana (plateau situé sur une élévation).
Lempona : toerana na faritra iva noho ny manodidina azy (bas, enfoncé).
Lohasaha : lempona na ankandemponana anelanelan’ny tendrombohitra roa na manaraka ny vodivona (vallée).
Tanety : tanibe tsy anaty rano (colline dépourvue d’arbres et placée entre deux vallée).
Tendrombohitra : havoana lehibe hita mandondona avo sady sarotra anihina (montagne).
Vodivona : rambon-tanety mandroso sy mitsopaka any anaty rano (contreforts des montagnes s’avançant dans la plaine).
Vohitra : havoana (colline, ville, village, hameau).
Teny zato (100) katroka no isan’ireo famaritana notsongaina tao amin’ny «Rakibolana» (Régis Rajemisa-Raolison, 1985) sy ny dikateniny ao amin’ny «Dictionnaire Malgache-Français» (Abinal & Malzac, 1888) ireo. Famaritan-toerana arakaraky ny haavony. Ao ny «tendrombohitra mitomandavana», «ny tanety lava misy isainana», «ny lohasaha mangina».
Mby an-tsaina indray ireo nahita ny zava-doza mahatsiravina nitranga tany Népal farany teo. Tafakatra vonjimaika ho 939 ny isan’ny maty ary olona 3.900 no tsy mbola tsy hita izay nanjavonany, lasan’ny riaka, natelin’ny rano ary tototry ny fotaka.
Ilay tanàna teny voa mafy dia ratsy toerana loatra : am-pototr’i Himalaya, izay tendrombohitra avo indrindra eto an-tany, ary lalovan’ny rano tery lalana kendan’ny tendrombohitra andaniny roa. Vao vaky, nisintaka ary nianjera ny ranomandry goavambe avy any an-tampon-tendrombohitra, ka namoky an-tenda ilay renirano kely tery ambany, dia efa vita ny amin’ireo trano sy fonenana ary tanàna naorin-draolombelona imoron-drano.
Nisy ankizy 1.643 nieren-doza rehefa nasain’ny mpampianatra nianika malaky ny tehezam-bohitra akaiky indrindra raha vao fantatra fa misosososo tsy hay tohaina ny ranotrambo. Mampatsiahy ahy manokana izay nitranga tany Manambato imoron’ny farihy Rasoabe tamin’ilay feo nandeha be, roapolo taona lasa hoe «tonga ny tsunami». Izahay avy hatrany dia nibata izay voasarangotry ny tanàna, vatsy sy rano izay zaka, dia niezaka namonjy ny toerana avo mandindona ny farihy. Avy teny ambony teny izahay no nahita ireo jiron’ny fiara marobe mitandahatra, mitohana tsy afaka mandroso, anefa mbola amin’ny haavon’ny farihy sy ny ranomasina ao ambadik’i Vavony.
Raha sanatria tokoa ka tena nisy tsunami tamin’iny, ripaka lasan’ny riaka avokoa ireo fiara rehetra tratran’ny «embouteillages» tamin’ny lalan’ny Foulpointe, Ambila, Manambato.
Tsy hadalan’ny Ntaolo no nisafidy nanorim-ponenana am-bohitra fa tsy an-tanimbary. Mifanohitra tanteraka amin’izany anefa no iniana atao ankehitriny ka sady milingilingy mitrongy tendrombohitra no mitonantonana manototra ny tanimbary sy ny farihy. Ankoatra izay miseho isan’andro, anefa hodian-tsy hita eny Laniera sy manodinana ny «by-pass» ary ireo «rocades» vaovao, dia io «Ampefiloha» sy ny «67 ha» miketraka ho vavolombelona fa tsy maintsy dibo-drano fahavaratra.
Fa tsy mba fomban-tany tety mantsy izany honina anaty lavaka sy ambodi-hantsana ary ambany tevana.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja