Fitampoha any Menabe

Kasaina ho tontosaina amin’ny 20 ka hatramin’ny faha-28-n’ity volana aogositra 2026 ity ny Fitampoha any Ampasy (Belo-Tsiribihina). Sadaikatra kosa raha tsy hiteny fohifohy mikasika ny Fitampoha rehefa ny Ampagnito (Mpandidy-Mpanapaka) mihitsy no nisahirana niantso ny tena. «Ny Merina anie no maro namako manampy» hoy rahateo Harea Tinahy Tsialia Georges Kamamy. 

Indreto ary misy filazana vitsivitsy mikasika ny Fitampoha izay heverin’ny Mpahay Tantara fa teraka nandritra ny zato taona nanasaraka ny nanjakan’i Ndremandazoala sy ny nanjakan’i Ndrianihaninarivo (Andriandahifotsy, taona 1670). 

Fitampoha : fampandroana an’i Dady. Dady dia isan’ny razamben’ny andriana sakalava, rehefa natokana ho zanahary hotompoina sy hiankohofana izy, sady efa vita mohara tamin’ny nifim-boay ny nifiny sy ny hohony, ets. ary tsy natao izany raha tsy efa amin’ny andron’ny zafikeliny izay manjaka. Tsy maintsy nanokanana andro firavoravoana lehibe indray mandeha araka izy fe-taona na fe-potoana voatendry i Dady, hanompoana sy hanandratana azy ary hiankohofana aminy. Vahoaka tsieranaina no antsoina amin’izany rehefa hampandro an’i Dady (Firaketana, martsa-aprily, 1951).

Dady : 1) ny raiben’ny zafy mandova fanjakana, ka rehefa maty ilay dadabe vao atao hoe Dady ; 2) rehefa maty ny mpanjaka sakalavan’i Menabe fahiny dia nangalàna ny nifiny, ny hohony, ny volony ; nasisika tao anatin’ny nifim-boay ngeza sady efa antitra, izay efa nompiana, ireo mba ho tonga «mohara». Ireto zava-madinika ao aminy dia atao hoe «firongon’ny mohara». Noravahana vakana, nohosorana tantely sy menaka ny mohara, nasiana volamena koa. Raha mbola velona sy manjaka ny zanak’io mpanjaka nakana dady io dia tahirizina tsara tsy azo hetsiketsehina ao amin’ny efi-trano madio sy voahaja tsara ny dadiny. Rehefa maty kosa ity zanany nandimby azy, ka tonga amin’ny andron’ny zafiny, dia amin’izay vao anaovana andro malaza fanandratana azy ilay dadiny. Atao hoe «fampandroana» izany fanandratana azy izany. Miseho amin’izay ny maha-dady azy dia amin’ny voninahi-dehibe. Tsy mpanjakan’ny Menabe intsony izy amin’izay fa manjary «razana» manan-kery sy hasina : manjary «andriamanitra kely» izay andohalehana, iankohofana, ialan-tsatroka, anateran-tsorona. Rehefa havoaka «hampandroina» i Dady dia andro firavoravoana lehibe tsy misy toy izany. Vorina ny vazan-tany efatra sy ny lafivalo (Firaketana, aprily 1947).

Hoy kosa Éléonore Nerine Botokeky : «Le Fitampoha est une cérémonie dynastique du pays Sakalava Menabe qui consiste à baigner dans le fleuve Tsiribihina les reliques royales ou dady de l’ancien royaume du Menabe (...) Pour marquer le retour aux origines de la création du royaume, les principales orientations de l’espace symbolique sont inversées : le nord devient le sud et vice versa, l’est devient l’ouest et vice versa. Cette inversion des orientations cardinales signifie que la «cérémonie du Fitampoha» correspond à une inversion symétrique du monde des vivants et du monde des esprits traduite dans les termes de la création du monde, du temps idéologique (...) Le Fitampoha est la réactualisation de l’Histoire par la présence des sazoke ou possédés royaux qui rappellent à la mémoire les conflits de succession touchant les anciens rois. Dans cette réactualisation, le pouvoir de l’ampanito doit s’affirmer car c’est traditionnellement lui qui tranche et qui décide de tout (...) Le Fitampoha est un acte de purification, de bénédiction et de légitimation officielle du statut des groupes. Quand un roi meurt (folake n’ampânito, littéralement, brisé est le souverain) et que le corps a séché, un an après son décès, on attrape un crocodile (voay) dont on arrachera un croc de la mâchoire inférieure. On mélangera ce croc à des parties prélevées sur le corps du roi et qui sont : l’ongle de l’auriculaire, l’os occipital, les canines de la mâchoire supérieure» («Le Fitampoha en royaume de Menabe. Bain des reliques royales»,, in «Les souverains de Madagascar. L’histoire royale et ses résurgences contemporaines», dir. Françoise Raison-Jourde, Karthala, 1983). 

Hohon’ny ankikely, taolan’ny mokondoha, vangy amin’ny valanorano ambony. Somary samy hafa kely amin’izany ny soratr’izy mianaka, Alfred sy Guillaume Grandidier izay mitanisa ny nify, taolana voalohany amin’ny hazondamosina na hoditry ny hatoka, hoho, volondoha na volombava : «Dans la dynastie des Maroseragna, à la mort de chaque roi, on prélevait sur son cadavre une dent et souvent la première vertèbre cervicale, un ongle ou une mèche ou quelques poils de la barbe, ou quelquefois, à la place de la vertèbre, un morceau de peau de la nuque (A. et G. Grandidier, 1908-1917).»

Marihina moa fa ny anaram-pianakaviana «Kamamy» dia nitrebona tamin’ny voalohandohan’ny taonjato faha-20, izany hoe efa enina ambiroapolo amby zato taona izany ankehitriny. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne