Isan’ireo «Lahatsoratra voafantina» nalahatr’i Prosper Rajaobelina tamin’ny 1949 ity «Osy mpamosavin’akoho» ity. Ny fiantsoana ireo biby, ho tahaka ny olombelona, dia mety hampatsiahy ny «Fables de La Fontaine». Misy hisy hiteny koa hoe angano nindramina tamin’ny Foko-andafin’ny riaka izao na izatsy, raha tsy hitanisa fotsiny ny «Mille et une nuits», saingy ny fanehoana kosa dia tena amin’ny saina sy lela anivon’ny riaka.
Ny goaika, izay mainty sy fotsy volo, dia efa raikitra ho ohabolana hoe «zaitra fony kely» na akanjo nentin-drazana. Taratra amin’ny lahatsoratra ireo fomba nifandimby sy ireo vanim-potoany : ny fasam-bazimba izay nohajaina rehefa lefy ny Vazimba ; ireo fadifady foromporonin’ny ombiasy, mpanandro, mpisikidy, izay inian’ny lahatsoratra afangaro, ary omeny tsiny safo-be-mantsina ho mpamosavy.
Ny hoe «fady anareo akoho ny mikopaka elatra andro zoma» dia mety noho ny fatotra atao ny akoho ho entiny amidy eny an-tsena, izay ny andro zoma no nalaza indrindra. Anaran’andro niditra taty aoriana satria tarehim-pitenena arabo.
Mitsidika eto koa ireo zavatra azo heverina fa niditra taorian’ny taonjato faha-16, izay vanim-potoana, nahitan’ny Eoropeana ny kontinanta vaovao, nantsoiny hoe Amerika. Tsetsatsetra farany : fa oviana marina moa no tonga teto ny vorontsiloza na ny osy ; ary moa teratany tokoa ny goaika sy ny papango ?
Indro ary ilay «Angano izany ka arira ihany» :Narary mafy, hono, ny zanak’Ikalamavo, reniakoho, ka niapanapana nitady fanafody, nanontany odi-faty eran’ny tany ama-monina izy. Ny fahoriana moa mahazaka maniraka, ny ain-tsombinaina koa tsy tian-kiraraka an-tany, ka henika an’Ikalamavo daholo ny fasam-bazimba, nakany tany masina hatao evoka, araka ny toro-hevitr’Ivorontsiloza, nefa nihombo, nihombo ihany ny aretin-jaza.
Dia tafahoana tamin’Inenigoaika teo an-tanim-boanjo hono, Ikalamavo ka sady nitsapa alahelo an’ity mitafy lamba fisaonana no nanontany azy. Fa hoy ny famalin-dRafotsy goaika : «Ny ahy efa voina, ka mafy loatra izany tsy nino ny nataom-bahoaka, ka namoy ny ain-jafikelin’ny aina. Koa Ikakiosy, ry Ikala, atonina fa ombiasy mahay iny, mpahita iorehana, mpanandro tsy roa aman-tany, tsy mba indroa mandray talen-tsikidy, dia ny foha amin’ny fahavelomana izay. Izy vonjena, ry Ikalamavo ô ! Iry an-tsefatsefa-bato maka tambavy iry izy».
Vao ‘ndeha hilaza ny soratr’aretin-janany, hono, Ikalamavo, dia efa nibararaeoka namaly Ikakiosy hoe : «Nitelina ny akohokelin’Andriamanitra ny zanakao, ka tezitra ny Zanahary, koa ataovy eo andrefan-tanàna ny marary raha vao miala eo am-bovonana ny masoandro ; eo amin’izay tsy misy bozaka aman’ahitra ametrahana azy mba hotrorin’ny mason’iny andro iny. Ary ianao eny am-pitan’ny hadivory mijoro miamboho ny zaza. Fohako izany ary fohako mason’andro anio ka mason’andro anio, dia ho izay ny zanakao. Ndeha ary miezaha, aza misaotra, aza manakopaka elatra fa andro zoma, andro ifadianareo akoho ny manidina»
Kanjo, hono, raha vao nivavabavaka nihataka ho eny am-pitan’ny hadi-vory Ikalamavo ; iny ingahy papango nitsontsorika avy teny ambony amontana. Nopaohiny ny zanak’Ikalamavo nahahy teo an-kalamanjana ka lasany. Dia izay tokoa ny ain’ilay zanak’akoho ! Lasa adala i reniny ka nanozon-tena, nanozona ny taranany hoe : «Raha izaho, raha taranako koa, tsy maintsy handositra vao mandre ny anaran’iny osy mpamosavy iny».
Izany, hono, no mahatonga ny akoho rehetra ho taitra sy handositra raha vao tononina ny «osy» na «sssy» fotsiny.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja