Taombaovao moa tsy Lohataona ?

Miendri-barahina ny manga. Mivolon-draozy tanora ny paiso. Mitarehim-bolamena ny laoranjy. Mangilohilo ny voaloboka. Mihodi-bola ny paoma. Mirara-potsiny ny rotra. Mamerovero ny mananasy. Midorehitra ny paisom-bazaha. Hosena foana ny voan’aviavy. Mivesatra voa toa rojo varahina mirozaroza ny tahom-bary. Masaka ny vari-vakiambiaty. Fararano ny andro.

Diam-penin’i Janus io, isan’ireo “Lahatsoratra Voafantina” nangonin’i Prosper Rajaobelina (1913-1975) tamin’ny 1949. Ny tombony mampiavaka ny “Lahatsoratra Voafantina” amin’ny “Takelaka Notsongaina” (Siméon Rajaona, 1961 sy 1963) dia ireo Fanazavan-teny nataon’i Gabriel Rajonah (izay Tonian’ny Firaketana sy Fiainana tamin’izany) manatevina fahalalana ireo voambolana tsy mahazatra firy intsony.

Mangilohilo : malama sady mangirana indrindra raha mainty na manopy mainty

Mihodi-bola : mivolom-bolamena nefa somary mavoantitra

Midorehitra : mena mangatrakatraka, mena mivaivay

Mirozaroza : miraviravy nefa miromborombo betsaka, mihantokantona betsaka

Fa ny fanazavana ny “Vari-vakiambiaty” no tena tiako nahatongavana : “Vary ambolena aorian’ny varialoha, eo amin’ny famonian’ny ambiaty, eo amin’ny tanimbary tsy azon-dranovelona, fa miandry ny ranonorana amin’ny fahavaratra. Afafy amin’ny lohataona izy (septembre, octobre). Dia aketsa amin’ny fiandohan’ny fahavaratra (novembre, décembre) ary jinjaina amin’ny tena fararano (avril-mai).

Izany voatanisa izany dia noho ny toe-tany sy ny toetr’andro eto. Misy ako amin’ny toetr’andro io “tropique du Capricorne” mandika ny tapany atsimon’ny Nosy io. Misy fiantraika amin’ny toetr’andro eto ny naha lavidavitra kokoa an’ny “équateur” ny tendro avaratr’i Madagasikara. Mandidy ny orana sy ny mari-pana ny maha anivon-tany akaiky havoana sy tendrombohitra noho ny hoe amorontsiraka mitovy tantana amin’ny ranomasina. 

Ny tantsaha moa mahalala tsara fa ny toetr’andro sy ny toe-tany no mibaiko ny taom-pambolena sy ny vaninandro fiotazana. Ny asan’ny Masoandro, maloka matetika tandrifin-drahona sa hainandro mila hamaky loha sola, dia mandrindra sy mandahatra ny fisandrahaky ny faka, ny fivelaran’ny felana, ny fahamasahan’ny voa.

“Tampon-tanety nodoroan’ny olona lohataona mba ho tondrahan’ny oram-pahavaratra” (F.E. Rabarihoela) ; “Ilaifito, ranonerika mikija, tsy misy andro hanahazana kitay, Ikopa dia safononoka indray, ny tanimbary rano-fotsy bambairay” (Ranaivo, 1893). Araka ny “Fanazavan-teny”,  Ilaifto dia anarana iantsoana ilay herinandro mipaka, misy erika mikija, tsy misy andro mihiratra na mipoaka, sady mandrivotra no mamirifiry. Mazàna dia eo amin’ny février izy (G. Rajonah).

“Ny sori-dalan’ny masoandro mihilana mianavaratra ; Efa mihamangoratsaka ny tara-bolana manelo ; Tsy tsiaro loatra intsony ny evoky ny hafanana; Akaiky dia ho vony vary, manatona ny fijinjàna” (Dox). 

Raha ny vary sy ny vorona, dia Lohataona no Taombaovao. Koa na nampandihy ody, na nampiteny sikidy, na nampahery tononandro, na nanao faditra sy sorona, toa niaiky ihany ny olona araka izay hita ao amin’ny “Tantara Ny Andriana” : “Ary raha hiseho ny andriana vao hanjaka, dia ny andro lohataona amy ny maintany” (TA, tak.50). 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne