Tampimaso ka antenainkanirina

Ompa sy teny ratsy ve tsy natao an’i Ron Weiss, ilay Tale Jeneralin’ny JIRAMA teo aloha. Natao roaka alika tsy nananana antra, tsy nomen-kaja. Dimy volana izay no lasa i Row Weiss.  

Saingy, tsy foana ny «délestage». Nahavita izay nangatahina taminy iny lehilahy iny fony mbola niasa tany Rwanda. Izay rahateo no nahasodoka ka nandraisana azy hitantana ny JIRAMA. Raha tomombana ny tany Rwanda fa nandamoka kosa teto Madagasikara: izy ve no diso, sa ny Gasy no olana, sa ny JIRAMA no farary. 

Na Ron Weiss folo aza no hifandimby eo, tsy hisy fahagagana eo noho eo. Ny olon-kendry rehetra efa nahalala hatrany am-boalohany : tsy izay Tale, izany hoe olona tokana, no omem-pondro ; tahaka ny tsy hiandrandrana «magie» vetivety aminy ihany koa.

Kilema ifotony nojerem-potsiny am-polo taona maro, ary efa nialoha ny naha JIRAMA ny JIRAMA. Masoandro tsy tandrifin-drahona: adino anefa ny «solaire». Renirano matevina raha tsy ny tevy ala nampalaina ny rotsak’orana : adino ny «hydro-électrique». Varatraza sy ny tsioka mifandimby : adino ny «éolien». Onjan-dranomasina mandavantaona : adino ny «houlomotrice». Efa talohan’ny JIRAMA isika no nanaran-daina tamin’ny angovon-tsolika. Raha mba solik’i Bemolanga sy Tsimiroro indray moa fa solika mbola vidian-dafo any andafin’ny riaka, sady idiran-trosa no iankinan-doha.

Ankoatra ny fambolen-kazo ody rahona sy erikerika, moa asan’ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA ihany koa ny fanapariaham-pitaovana, fanapariaham-bola, fanapariahan-tsekoly sy hôpitaly, mba tsy hivangongon’ny ampahafolon’ny Malagasy eto Antananarivo-Renivohitra izay efa mizaka ny tsy eran’ny ainy. Antananarivo tsy maharaka, any amin’ny Faritra tsy misy akory. Jiro sy Rano nokajiana ho an’olona dimy hetsy, tsy ho ampy mihitsy raha tovozin’ny mponina an-tapitrisa. Tsy misy fahagagana raha tampi-maso no antenain-kanirina.

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne