Fahasorenana nenti-natory no iarahana mifoha : tsy teny izay loatra ilay hiran-dry Mahaleo, fa io miova kely io no mahadika indrindra ny fahapotehan’ny fiainana sy toe-tsaina eto Antananarivo.
«Fiainana Antananarivo dia iaraha-mahalala fa tsy te hahalala» : tamin’izany, ny hoe tsy te hahalala dia samy maka ho azy. Ankehitriny niova tanteraka, niborioka mihitsy no tena marina. Omaly, tsy te hahalala ny hafa, saingy tsy nifanelingelina. Izao, tsy te hahalala, saingy tena manavesatra ny fiaraha-monina. «La mozika» mihoa-pefy sy manapitra «tableau décibels», tsy andro, tsy alina, tsy an-kafaliana tsy am-pahoriana, tsy am-bohitra tsy ambanivohitra. Tabataba tsy manaja ny filaminan’ny hafa sy ny manodidina. Tsy te hahalala = tsy fahaiza-miaina ; tsy te hahalala = tsy fahalalam-pomba ; tsy te hahalala = ratsy taiza.
Vao hivoaka ny trano isa-maraina dia efa manamboatra saina amin’ny «tsy te hahalala» hitsin-dalan’ny taxibe sy ny scooters. Mandra-piditra ny trano harivariva, manindry fo amin’ny «tsy te hahalala» mbola tsy hitan’ny polisy sy ny taxibe ary ny scooters mbamin’ny sarety-posy isan-karazany izay maharatsy azy.
Efa taona maro lasa no niresahako teto ny hoe «Génération taxibe» : andian-taona nopotehina ara-tsaina hanaiky hifanao «sardines», mandroso-mihemotra, ka fiara «404 familiale» natao ho an’olona fito, mitondra mpandeha 12 ankoatra ny mpamily. Mbola samy mba nahalala fomba tamin’ireny, taona 1980-1990, dia nandefitra fa hoe «vetivety ihany», «mandra-paha» : kanjo, ary efa indrisy, efapolo taona aty aoriana, mainka niharatsy.
Tao anatin’izay efapolo taona farany izay, niitatra ary namonto andian-taona maro ilay toe-tsaina «zara fa» sy «sitrany ahay». Aretin-tsaina nifindra ary nihanaka, hany ka tsy voaisa intsony, na tokana na firy, ny hoe «générations perdues». Zanak’ireny sa efa zafin’izany, itony «Génération scooter» itony, mampikorontana tanteraka, tsy ny fifamoivoizana ihany, fa «tsy te hahalala» ny fiaraha-monina, indrindra fa ilay kitrokely sisa ifaharana, mitondra ny marimaritra iraisana raha mbola te honina hiaraka.
«Raha tsy eto intsony aho, fa lasa vetivety, lasa mba hitety, iny habakabaka iny» : na izaho na izy mirahalahy Mahaleo sisa nanamborana, samy tsy ho eto intsony. Afaka efapolo taona hafa manaraka, hanao ahoana ity firenena nentina nandrorona ity. Rehefa voakorontana ny fifamoivoizana, dia niroso tamin’ny fanazimbana ny fifanajan’ny mpifanolo-bodi-rindrina : izany ireny karaoke sy «la mozika» mitobaka amin’ny arabe fananana iombonana ireny. Ny setroka hono tsy midina, ny rano koa tsy miakatra, fa ny karaoke mihoatra tamboho sy mamaky rindrina, tafiditra manelingelina isan-tokontrano.
Rehefa badenina amin’ny tabataba sy horakoraka ary hiakiaka, tsy mahita intsony ny hatsaran’ny Trano Gasy, hany ka tsy mahatsikaritra akory fa efa soloin’ny sasany tranon’afokasoka ny manodidina rehetra. «Carte postale» sisa ilay Antananarivon’ny kalo hoe «Haody, ry Analamangako, ry Iarivoko, ry Imerina».
Rehefa zafindohaliky ny «Génération taxibe» sy zafin’ny «Génération scooter», mety efa ripaka izaho sy ny hany sisa mbola mitovy amiko. Raha mifoha Andriamasinavalona na Andrianampoinimerina, ho kivy tanteraka hoe razamben’ireto tokoa moa no nahavitana an’Imerina Efa-Toko ary nahavoriana indray an’Imerina Enin-Toko.
Tsy ho an’Imerina ihany. Fampitandremana ho anatra izao manjo ny Renivohitra izao. Jereo sahady i Madagasikara rahampitso. Isam-pirenena (reny), isam-poko, isam-paritra. Aza manao «fiainana Antananarivo».
Nasolo-Valiavo Andriamihaja