Mialoha izao hateloana avy orana izao, izay antenaina mbola hitohy hamonto ny tany mialoha ny tena hoe «fararano», dia faly ery aho nahita fodilahimena nanenjika itony hoe maritaina itony : vorona tsy fantam-pihaviana tafiditra antsokosoko eto amin’ny tanindrazan’ny Fodilahimena.
Madagasikara idiran’izao tsy fanta-pihaviana rehetra izao. Mamboly fivavahana mampatahotra, mampisalobona gony ny vehivavy. Mitoetra tsy miera, mitrandraka ny eto, manondrana mankany. Mampivadi-pinoana mividy taranaka ambony fahantrana.
Tahaka ny papango, nentin’ny sasany any amin’ny Nosy manodidina, dia nafindrafindran-dry zareo any ihany koa ny Fodi(lahimena) izay vorona tena teratanin’ity Nosy ity.
Ny ahy moa ny «taona fodilahimena», arak’izay efa voasoratro ombieny ombieny : «tamin’ny 21 aprily 2023, aho nanoratra hoe «Fararano : ambaran’ny fody sy ny vakiambiaty». Tamin’izany, folo andro taorian’ny Paska, mbola nahitana «fodilahimena miteronterona mampidera jaky». 21 aprily - 27 septambra : raha ny fodilahimena izany no arahana, dia io ny tapa-taona».
Ary satria ny «Fodilahimena mitafy jaky lohataona» (lahatsoratra 18 septambra 2022) dia io LOHATAONA io, araka ny anarany rahateo, no heveriko «taom-baovao» manaja indrindra ny zavaboahary. Mbola any koa ny zavamaniry iray, ny ambiaty, nataon’ny Ntaolo ho famantarantaona.
Noho izy fodilahimena, ady lohahevitra tokana : «taom-baovao eto Madagasikara sy ny bolan-tany misy azy mandrafitra ny vanin-taona». Ny ankoatra izay «fivavahana», an’olombelona matahotra ny fasana.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja