Voangory ho samy Rangahy

Ny tendrombohitra ve, manasaraka tokoa ? Ny ony sy renirano ve, tetezana kokoa ?

Tsy haiko loatra any an-kafa, andafin’ny riaka, fa ny antsika toa fitazandavitra mahamanina raha Tsaratànana sy Andringitra ary Ankaratra, mba tsy hitanisa ny «Tendrombohitra roambinifolo». Ary raha ny eto ankibon’Imerina, izay tany Vakinimananara, Vanikisahasarotra, Vakinisisaony, na Avaradrano na Ambodirano, tsy ilaozany tsy ho ampahenin’ny Enin-Toko. Fanontaniana mbola tsy nahazo valin-teny maha-afa-po mantsy ny hoe : «Efa Firenena ve ny Malagasy sa mbola Isam-Poko» ; na ny hoe: «Inona sy hatraiza ny isam-Poko, isam-Pirenena», fombam-pitenenana nialoha lavitra ny namoronana akory ny fiantsoana hoe «Malagasy», tapaky ny taonjato faha-19. Taonjato faha-21 isika, toa mandrasa mbola tsy nahita ny atiny.  

Haintsika ilay kabary nampalaza ilay Frantsay Ernest Renan (1823-1892), raha namariparitra ny hoe «Nation» izy, ny 11 martsa 1882. Tsy dikan-teny ara-bakiteny no ezahiko eto ambany fa handrana dikan-teny ara-kevitra. 

«La possession en commun d’un riche legs de souvenirs ; le consentement actuel, le désir de vivre ensemble; la volonté de faire valoir l’héritage qu’on a reçu indivis». 

Fifampizaràna hanan-ko-tantaraina ; fifanekena mbola hiara-monina ; fifanomezan-teny hanasoa ny lovatsivaky. 

«Un long passé d’efforts, de sacrifices et de dévouements. Le culte des ancêtres est de tous le plus légitime: voilà le capital social sur lequel on assied une idée nationale». 

Tantara nikelezan’aina, nampandeferana fo-tsiaritra, nahafoizan-tena : ka ny fanajana ny Razambe no masina indrindra hanorenana firenena. 

«Des gloires communes dans le passé, une volonté commune dans le présent, avoir fait de grandes choses ensemble, vouloir en faire encore. On aime en proportion des sacrifices qu’on a consentis, et des maux qu’on a soufferts».

Rehareha nomba-nanana, fahiny ; finiavana antsoroka miara-milanja, ankehitriny ; raha nahavita be omaly, ary mbola manaiky hiara-hamindra anio dia fitiavana mitombo an-dalana, arak’izay nafoy sy ireo fery niaretana.   

«Dans le passé, un héritage de gloire et de regrets à partager. Dans l’avenir, un même programme à réaliser. Avoir souffert, joui, espéré ensemble». 

Omalintsika, nifamahofahon’ny voninahitra sy nenina; ampitsontsika, fahanana vina hiaraha-manana; sakivy tsy nifanary, monany niara-nitombo, voangory ho samy Rangahy. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne