Ramatoa Ravelomanana Jacqueline

Ny fotoam-bita tokoa, raha mbola azo atao hoe «fotoam-bita» ny fandaharam-potoana ho an’ny havana na tapaka sy namana efa nodimandry, tsy mahaleo ny sampona. Koa na dia nikasa tokoa hanatitra anao hatrany Anahimalemy-Manjakandriana aza ny tenako, dia tsy tontosa izany fa voatery nitodi-doha niverin-dalana.

Tany amin’ny taona 1989 no nifanindran-dalana isika mianaka, rehefa isan’ireo mpianatrao tamin’ny «Histoire des institutions» ny tenako. Tsy ho adino mandrakizay, Tompoko, ny nanomezanao ahy ny isa ambony indrindra tamin’ny fanadinana ary nanaovanao «affichage» teo amin’ny varavaran’ny «cathédrale Droit» ny asa-soratro tamin’ilay laza-adina «Le Hasina». 

Boky telo, tamin’ireo marobe norantovina tao amin’ny «BU» (bibliothèque universitaire) no nandrafitra ny famakafakako tamin’izany fotoana izany : «Le mythe de l’éternel retour» (Mircea Eliade) sy «L’histoire des rois d’Imerina. Interprétation d’une tradition orale» (Alain Delivré) ary indrindra moa ny «Tantara Ny Andriana» (François Callet) izay mahasarotiny ahy ny fanoratana ho renintsoratra ny «N» amin’ny «Ny» sy ny «A» amin’ny «Andriana» satria tsy ireo Havanandriana no anton-dresaka fa izy Andriamanjaka. 

Hasina, Fandroana, Andro-tsy-maty : fampianarana iray manokana raha ny resaka «retour au chaos primordial» na ny «lapabe», izay ataon’ny ankehitriny resabe-hatsikana. Izay hikimpimaso mandritra io fotoana tokana, «temps paradoxal», io dia voarara andavanandro, araka ny hita amin’ny andininy faha-63 ny Dimiventisitelonjato : «Raha misy manao valabe any Imerina dia atao an-trano-maizina ary dia helohina koa araka ny didin-drazana». Tsetsatsetra tsy aritra no ampatsiahivina ny andininy faha-263 amin’iny Fehezan-dalàna nivoaka tamin’ny 29 martsa 1881 iny : «Ny Lalàna sy ny Fomban-tany izay fanao hatramy ny ela, ary mbola arahina mandrak’ankehitriny, na dia tsy voasoratra amin’ity Lalàna ity aza, dia mbola Lalàna velona izany sy Fomba arahina». 

Maty nalevin-kavana maro ianao, Ratompokovavy: tsara levanana tokoa ary henin-kaja ny velona afaka mihambo ho nanana anao. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne