Asara hiditra asotry

Haiko loatra ny hambom-po nikatsahana azy. Efa aman-taona aho no isan’ireo nitaky ny fisiany. Naman’ireo, ihany koa, nangataka mba hanaovana azy ho «andro tsy fiasana anefa andraisan-karama».

«Taom-baovao malagasy» : tahaka ny fisian’ny an’ny Sinoa, manetriketrika maneran-tany, saingy adinon’ny Sinoa Gasy ny manatsidika azy eto Madagasikara. Tahaka ny an’ny Silamo izay vao naiditra ho anaty kalendrie ôfisialy malagasy. Tahaka ny an’ny Indiana Hindo, marobe eto Madagasikara, anefa tsy manana lobbying hiady ho azy anatrehin’ny Governemanta na anivon’ny Antenimiera. Tahaka ny an’ny Ôrthôdôksa, izay manana Fiangonana eto, anefa tsy raikitra anaty kalendrie malagasy ihany koa. Na ny an’ny Jiosy, izay lazaina fa fiavian’ny fomba maro amin’ny Malagasy, anefa tsy omen-kaja araka izany. 

Haiko loatra ihany koa anefa, mazava dia mazava, ny hoe «Lohataona», faritan’ny toetr’andro araka ny jeografia misy an’i Madagasikara. Volana septambra amin’ny fanisana gregoriana ny «printemps» eto Madagasikara. Tsy misy idiran’ny fivavahan’iza na iza izany, tsy misy fifangaroana amin’ny fanandroana na sikidy na avy aiza na avy aiza. Masoandro, Tany ary fambolena Vary. 

Izao volana martsa itsahintsika izao, amin’ny kalendrie gregoriana, dia «Fararano» araka ny toetr’andro sy toe-tany (eto Imerina ihany ve ?). Raha «taom-baovao» izany, tsy vitan’ny Fanjakana satria ny vahoaka isan-tokantrano no manasina azy. Ny «taona fodilahimena», izay katsahiko, dia tsy manaraka Alahamady-Adimizana, na Janoary-Febroary. Notanako kosa ny fanisana faha-Vazimba (na efa mety ho ela taloha azy) hoe «Asara» (orana) sy «Asotry» (maina) satria dia mazava fa tsy fivavahana fa toetrandro-toetany. 

Tapaky ny martsa 2026, toa madiva ho tapitra ny ra-fahavaratra sy ny orana. Ao alatrano ao, mbola indreo, etsy sy eroa, ry fodilahimena. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne