Tantara mitohy (2) : Tsarahafatra

Anatirovan’Antananarivo dia mbola nisy Lapa hafa, noho ireo mahazatra ny maso, talohan’ny faran’ny Fanjakan’Andriana. Isany amin’ireny, «Tsarahafatra», andamosina atsinanan’i Manampisoa.

Tsarahafatra, izay lapa naorina tamin’ny andron-dRanavalona I (1828-1861), dia mbola tranon’i Andriamanjaka hatramin’ny faran’ny Fanjakana malagasy. Nandritra ny roa taona, oktobra 1895 - febroary 1897, voatery nifampiraharahany tamin’ireo Manamboninahitra sivily sy miaramila frantsay, dia tao Tsarahafatra no fandraisan-dRanavalona III azy ireo. 

Gazety Malagasy, 2 janoary 1885 : «Tamy ny Alarobia 24 desambra, dia nankeo an-tokotany andrefan’ny trano Tsarahafatra ny Mpanjaka sy ny Prime Minister. Vory tao koa ny Fiangonana Anati-Rova na lahy na vavy sy ny tandapa ary ny mpitandrina amy ny fiangonana sivy ao Antananarivo sy ny evanjelistra any ambanivohitra izay avoaky ny fiangonana ao Anati-Rova. Ny anton’izany fivoriana izany dia handatsa-drakitra». 

«Tamy ny alin’ny Alarobia mifoha Alakamisy, 25 desambra, Krisimasy Day, dia nankeo an-davarangana andrefan’ny trano Tsarahafatra ny Mpanjaka sy ny Prime Minister. Maro koa ny tandapa no nanaraka azy teo. Dia niakatra nihira teo ny mpihira amy ny fiangonana Anati-Rova sy ny mpihira amy ny fiangonana ao Antanimena sy ny ao Ambohitrinimanga».

Ny Gazety Malagasy tamin’ny 27 septambra 1896 dia sady namoaka ilay «Lalàna milaza any Madagascar sy ny Nosy rehetra momba azy ho Colonie française (Zana-tany Frantsay)» no namoaka ihany koa ny kabarin-dRanavalomanjaka «nosoratana tamy ny Lapako tao Tsarahafatra tamy ny 27 septambra 1896»

Ny Gazety Malagasy, 16 oktobra 1896 : mamoaka didy «noho Ratsimamanga Prince sy Rainandriamampandry, nohelohina ho faty, ny fananany dia lanina ho an’ny Service français du Domaine». Io andron’ny 15 oktobra 1896 io ihany dia nampamoahan’i Gallieni Didy hafa ihany koa Ranavalona III : ny fananan’i Princesse Ramasindrazana, Razafimanantsoa, Razanakombana, Ravelonanosy, Rainitahina dia nolaniana torak’izany ho an’ny Service français du Domaine. Tao Tsarafahatra avokoa no nanaovana sonia ireo Didy ireo. 

Ny 2 oktobra nialoha io dia ny «Didy milaza ny tsy fisian’ny raharahan’ny Mpitahiry Kasem-panjakana», izay mbola nataon-dRanavalona III sonia tao Tsarahafatra. Io no Didy farany avy aminy satria nanaraka io dia «Rainitsimbazafy, Premier Ministre, izay nangataka hiala, dia tsy asiana solony aloha» ka «Rasanjy, 15 Vtra, Secrétaire Général, no hanao ny raharahan’ny Premier Ministre aloha ary hitana ny Kaseny» : Sonia avy hatrany, Gallieni. 

Efa hadiva hifarana ny sarintsarim-panjakana malagasy sisa tavela hatramin’ny 1 oktobra 1895 : ny «Raharahan’ny Lehiben’ny Mpanao raharaha amy ny Ati-Tany» dia natambatra ao amin’ny Premier Ministre (11 oktobra).  

Noravan’ny Frantsay ny Lapa Tsarahafatra rehefa lasa sesitany Ranavalona III. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne