Miferinaina avokoa ny rehetra mpampiasa ny Lalam-pirenena. Ireo ary moa lavadavaka sy fotapotaka ka ahoana no mbola hiheverana ny lalana hafa toy ny «Route d’Intérêt Provincial». Efa aman-taona no nisesy tsy tapaka tao amin’ny Facebook ny fota-mandrevo sy ny lavaka mandifotra «camion» : izany rehetra izany, aoka tsy ho adino mandrakizay, fa vokatr’ilay fahamaivanandoha niteniteny foana hoe «Tsy azo hanina ny lalana».
Ankoatra ireo mpankafy «Off-Road», faly mampiseho ny tanjaky ny fiarany tsy «mataho-dalan-dratsy», mitaraina ny mpanangom-bokatra, mikaikaika ny mpitatitr’olona, very fidiram-bola ny mpitondra mpizahatany. Dia mba heverina, raharaha tsy maintsy vonjena, fialan-tsasatra antomo-dava : tsembo-dratsy avokoa, mainaintaina vanin-taolana, vokim-bovoka rehefa tsy mihoso-potaka, vao tonga amin’izay aleha.
Antananarivo-Antsirabe, izay talaky maso indrindra, no vita ambetin-dresaka. Lalana 169 kilometatra, tsy vita ihany efa ho roa taona. Indrindra indrindra, tsy misy manazava, ary tsy mety ho azo rahateo, maninona no nempahina ireo faritra mbola matevina anefa ny efa mihofaka aza tsy mbola vita. Asa tokony vita herinandro vita fitanisàna aman-taona. Amin’izay indray, izay mba kely zara fa vita mampametra-panontaniana sahady raha haharitra akory ny rotsak’orana manaraka. Volam-bahoaka ohatrinona no tsy hita popoka amin’izao kitoatoa manara-penitra izao ?
Hay mbola misy ambany maso, akaiky lavitra noho ny Lalam-pirenena : ny lalana eto Antananarivo-Renivohitra. Renivohitra aza moa tahaka izao, mainka any amin’ny Tany lavitr’Andriana rehetra any ? Raha tsy hitanisa fotsiny ny fanamboarana «pavés» dia mahatsiaro izay efa voasoratra tamin’ny 11 oktobra 2024 : «Telopolo taona nipetrahana teny Soanierana aho fa tsy nihetsika mihitsy ny «pavés» vita nanara-penitra tamin’ny andron’ny Vazaha. Ny «pavés» rehetra teto Antananarivo, tamin’izany, tsy mba nososohana «béton» tahaka ny ankehitriny, indrindra «béton armé» mahihitra «ciment» hany ka mivoaka tahaka ny mitsangam-bolo ny «fer rond» faran’izay manify indrindra teny an-tsena. Ohatra amin’izany, ny lalana midina avy eny Ampasampito ka mihazo ny hôpitaly Soavinandriana. Jereo ihany koa ilay lalana etsy Laniera mivoaka eny Antsofinondry. Na ny «pavés» mikorontan-dava etsy Ampasandratsarahoby. Taona 2024, manao gorodom-bato aza tsy hain’ny BTP gasy intsony. Taona 2024, ampahan-dalana tsy misy iray kilometatra, herinandro mahery mikenonkenona ny BTP gasy mbola tsy mahavita ihany».
Nasolo-Valiavo Andriamihaja