Lahatsoratra nataoko tamin’ny gazety «Tia Tanindrazana», tamin’ny febroary 2023. Volana janoary 2026 isika izao, nandalo ilay fiovam-penitra nahery vaika tamin’ny 25 septambra 2025. Lavo ilay fitondrana sady nanafintohina no nanapa-tsinay. Ary tokony ho totofana impito mandifotr’olona raha ny momba azy. Saingy sampona hatramin’ny farany moa, ka dia mbola misy mihevitra ho afaka atao ho martiora ireo nandroba ny fananan’i Madagasikara; ireo nanan-karena tampoka tamin’ny fahantran’ny Malagasy ; ireo nanodinkodina ny volam-panjakana ka izao iaraha mahita izao ny Lalam-pirenena manerana ny Nosy, ny faharatsian’ny Sekolim-panjakana maro isam-paritra, eny fa na eto Antananarivo-Renivohitra aza, ny tsy fisian’izany hoe Hôpitaly ka tena manara-penitra marina izany, fa lainga avokoa. Ho anareo «mpitolona» teny ami’ny 13 mey 2009, vakio tsara itony lahatsoratra itony.
Nialoha ny 7 febroary 2009 dia nisy ny 26 janoary 2009. Vaki-tranombarotra maro teto Antananarivo, niafara tamin’ny fandorana ny Radio-Pirenena. Nisy ny fiampangana sy ny fitsarana ary ny fanamelohana am-ponja ireo miaramila niaro ny lapan’Ambohitsorohitra. Tsy mbola nisy kosa, na dia fanadihadiana aza, mikasika ireo nidina ambany dia ambany, nirefarefa amin’ny tany, nangalatra sy nanimba zavatra ny andron’ilay «alatsinainy fisaonana» 26 janoary 2009.
Efa tamin’ny andron’ny «diabe» 10 aogositra 1991 aho no nanoratra («Ni Iavoloha, ni 13 mai», Madatgascar Tribune, 12 aogositra 1991) fa izay nitaona ny olona hananika ny «faritra mena» no tompon’andraikitra voalohany amin’izay miseho rehetra.
Azo heverina ve, izao fivorivoriam-bahoaka rehetra izao, ka ho avela malalaka hamaky lapa-panjakana? Faritra mena roa sosona ireo lapan’Ambohitsorohitra sy Iavoloha ary Mahazoarivo ireo : foiben’ny Fitondrana ary toby miaramila. Nanao ny asany fotsiny ireo miaramila GP (garde présidentielle), tamin’ny 2009, tahaka iretsy taloha ratsy laza ka mora nomem-pondro dia ny RESEP tamin’ny 1991.
Politika ny ankoatra izay. Kobaka am-bava, famp nantenana poakaty, fandrebirebena. Ary rehefa lany lainga ireo mpikabary eo amin’ny kianjan’ny 13 mey dia mamoron-kevitra hisian’ny «martiora» : hatramin’ny rà nandriaka teo Analakely ny 13 mey 1972, dia zary lasa fanao politika eto Madagasikara ny mankahatra ny mpitandro filaminana mba hankasiahana azy ireo hanapoaka basy : 10 aogos tra 1991, 31 martsa 1992, 7 febroary 2009.
«Maimbo rà» araka ny fiteny ny vahoaka rehefa mahazo martiora. Manahirana kokoa ny fitandroana filaminana. Na fiarovana lapa-panjakana aza, lazaina fa didy jadona. Tsy mahagaga afa-tsy ny mbola zaza saina raha ireo mpanohitra tojo amin’izay iriany, dia ny fitondrana, no lasa manindraindra didy aman-dalàna hatramin’ny Lalam-panorenena, izay vao avy nodiany tsy hita sy tsy hay rehefa naniraka vahoaka hanitsaka «faritra mena».
Maty noho ny inona moa izany ireny «mpitolona» ireny? Ho an’izao misy an’i Madagasikara ankehitriny izao? Hady lalina mandifotra ny Malagasy, mahantra tsy velon- komana an-tanindrazana ka voatery miondrana faobe ho mpiasa an-trano any amin’ny tany arabo, na dia ho fanandevozana ankolaka aza. Tao anatin’ny enimpolo taona, tsy mbola maro tahaka ny ankehitriny ireo Malagasy miondrana antsokosoko hitady ravin’ahitra any Mayotte : tsy Lekôma intsony no tonga amin’ny botry aty amin’ny Gasy, fa ny Gasy no misisika ho any amin’ny Kômôriana.
Hatramin’ny 2009: ala manontolo firy, raha atambatra ireo «bois de rose», no nivadika ho tapitrisa dolara ho an’ny sasany fa tsy nisy ariary ho an’ny Malagasy ? Vatosoa sy volamena firy taonina no very ho an’ny kitapom-bolam-panjakana anefa ny lalana rehetra fotaka sy lavaka sisa ? Fandriampahalemana an-driran’antsy, Fahasalamana tsy manara- penitra, Fanabeazana ankinina amin’ny FRAM, Vary foto-tsakafo afarana any am-pita amin’ny vola mbola trosaina, zaza madinika am-polony na an-jatony sa amin’arivo mangataka an-dalambe rehefa tsy mitsindroka fako.
Fitondrana manala-baraka satria manapa-tsinay, rehefa tsy manafintohina. Izany ilay «tolona».
Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Mbola mamerina eto indray ny tenanay ary manamafy ho re tany re -danitra fa adalana ny zavamisy raha ireny olona 1991 ireny . Raha nitohy ny fitondran'i Deba efa tsy ho izao isika . Ny olana fotsiny tokony nanomana hisolo azy izy teo Tantely na José kely . Iny no fahadisony lehibe indrindra . Aza hadino fa na i Michel Camdessus DG FMI tamin' izany nilaza fa vaovao lehibe ny taux de croissance anareo mahavelom-panantenana . Na Zafy na Ravalo na Rainilainga ( 1991 , 2002 sy 2009 ) samy nanana andraikitra amin'izao fahantrana ny malagasy izao daholo . Manongo tena nanohana an''iny raikalahy be vinany iny 2009 kay bibi olona no sady domelina no tranon-dainga .
RépondreSupprimerAleo handeha ny FANAVAOZANA dia ho hita eo . Tsy azo lavina kosa fa efa misy ezaka hatao . Ny ho filoha eo lanim-bahoaka amin'ny fifidianana madio afaka roa taona no hahitana raha hoany amin'ny fampandrosoana amin'izay na tsia !