Tondroy molotra, ho afa-baraka, izay tompon’andraikitra mpamosavy

Ity «Tondroy molotra» ity dia «Teny Gasy» nosoratako, ny 15 desambra 2022, ho an’ny gazety «Tia Tanindrazana». Telo taona katroka aty aoriana, indro izy ity mifanindran-dalana amin’ilay Mamalan-kira vao telo andro lasa : «Tany halatra, trano halatra, fiara halatra, fanaka halatra, fandrantoana fianarana halatra, voninahitra sandoka. Ny tany halatra, lalana firy kilometatra ? Ny trano halatra, hôpitaly tena manara-penitra firy ? Ny fiara halatra, sekolim-panjakana firifiry ?». Ankoatra ny tsy fahaizana anefa mbola te ho deraina sy ny nofy dedaka mampitondra trosa, dia ny fangalarana ny harem-pirenena sy ny fandrobana ny kitapom-bolam-panjakana no isan’ny nampahantra an’i Madagasikara sy ny Malagasy, ka mampitondra henatra ny Tanindrazana sy ny Firenena imason’izao tontolo izao. Tsy hisy «Fanavaozana ifotony» ho vanona raha tsy fongotra ireny karazan’olona ireny sy ny toe-tsaina raiki-tampisaka aminy. Misy fiteny tranainy, haiko vao haingana, hoe : «FOFOSARITA» = matesa avokoa, fongana aby, lania-ritra. 

Madagasikara, Nosy anivon’ny riaka : ilay ranomasina hadivory fahiny, lasa sisin-tany 5000 kilometatra sarotra arovana, tsy hita ho voafefy tamboho. Maro ireo tafiditra antsokosoko, firifiry ihany koa ireo tafandositra antsokosoko. 

Tsy ampy fitaovana ny Fanjakana malagasy, hanara-maso sy hiaro ny sisin-tanin’i Madagasikara. Safidy tsy natao, hatrany am-boalohany, ka na Tafika an-dranomasina, tokony ho fitaovana voalohany, tandroka aron’ny vozon’izany hoe Nosy aza, tsy misy. 

Izao taona 2022 izao, raha misy tafika vahiny manani-bohitra eto, dia ho tahaka izay niseho tamin’ny 1894-1895 ihany : hitazam-potsiny isika, satria tsy nivonona amin’ny fitaovana sy ny olona fa indrindra ny politika ankapobe.

Tamin’ny andron’ny Repoblika sosialista, 1975-1991, impiry moa tsy nandrenesana hoe «mercenaire» Afrikana tatsimo tafiditra hitsikilo sa hanongam-panjakana teto. Ireny raharaha politika 1991, 2002, 2009, ireny kosa no nampibaribary fa rehefa tampin-dalan-kaleha etsy amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato, tora-pasika lava misy hisintahana tsy ankiteniteny ny 5000 kilometatra sisin-dranomasin’i Madagasikara.

Firy izay «IST» (interdiction de sortie du territoire) anaran-tsy very fotsiny izay. Raha toa moa ka tsy namono olona, tsy nangalatra volam-bahoaka, tsy nahavanon-doza : vitan’ny «tantara mitohy» somary maneso ireo tokony hanao andrimaso ny sisin-tany. Fa, raha sanatria kosa ka olon-tsy vanona, tokony efa navela hiaran’ny fitsaram-bahoaka (indrindra fa nofoanan’ny Antenimiera ny fanamelohana ho faty), no tafaporitsaka, tsy misy ompa razana sy ozona mahery afaka hampitony ny alahelo sy ny hatezerana.

Sisin-tany efa kilometatra maro tsy ampy mpanara-maso, manginy fotsiny ny tsikombakomba arahin-kolikoly. Ka raha mpamono olona, mpanao an-keriny, nahavanona habibiana, no ho ampandosirina, ary indrindra tafandositra, tafandositra ny fitsarana masiaka hany sahaza azy, tondroy molotra ho afa-baraka imason’ny mpiara-belona ary rarao tsy azo aiditra am-pasan-drazany, izay tompon’andraikitra mpamosavy nitazam-potsiny na nanome tanana.

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne