Mpangalatra

Na tamin’ny fitaizana nampitain’ny Ray sy Reninay, na tamin’ny fanabeazana nanafaranay ireo zanakay, tsy mba nisy fanontaniana miharo ahiahy sy henatra tahaka ny hoe : «ito tranobe ipetrahana ito, natsangana tamin’ny halatra ; ireto fiara tsara tarehy, nangonina tamin’ny halatra ; ny fitaovana sy fanaka isan-karazany ato an-tokantrano, vokatry ny halatra». 

Manao ahoana tokoa re ny ao an-tsain’ny zanak’ireo nangalatra ny harem-pirenena? Dehadehaka mitavana zava-baovao sady sarobidy, na dia fantatra aza fa halatra sa mba menamenatra ihany tsy mahajery tavan’olona ? Tany halatra, trano halatra, fiara halatra, fanaka halatra, fandrantoana fianarana halatra, voninahitra sandoka. 

Mampiteny ny moana raha mandre ny fitanisana ireo dolara aman-tapitrisa nivoaka an’i Madagasikara ary itavanan’ireo tsy mataho-tody any an-tanin’olona. Ankoatra izay fanenjehana sy fisamborana ary fanasaziana, ny hiverenan’ireny volam-bahoaka ireny ho tombontsoam-pirenena no tokony himasoana. Ny tany halatra, lalana firy kilometatra ? Ny trano halatra, hôpitaly tena manara-penitra firy ? Ny fiara halatra, sekolim-panjakana firifiry ? 

Amin’ny kolontsaina tahaka ny antsika, ny fangalam-baraka no mahery kokoa noho ny fanagadrana tsy mamerin-trosa. Aseho mibaribary ho hitam-poko hitam-pirenena fa mpangalatra, nandroba ny volam-panjakana, nanabe ny zanany hahazo tombontsoa tsy ara-drariny noho ny halatra nifandovana. 

Rehefa rako-kenatra mandra-pahafaty dia raràna ihany koa tsy hiditra fasan-drazana. Atao fandevenana mpamosavy, afatra lavaka iray, afangaro bemantsina ao ny olon-dratsy sy ny olon-tsi-vanona. Mba ho tondroi-molotra isan’andro, mandavantaona, ary hifanafarana fa tsy faka taranaka. Satria, tsy misy famadihan-Tanindrazana mihoatra noho ny fampahantrana ny firenena. 

Fanabeazana vaovao, ho amin’ny toe-tsaina vaovao, raha hikatsaka tena fanavaozana ifotony. «Razana tsy hitahy, mifohaza hihady vomanga», hoy ny Ntaolo. Ray aman-dReny mpamadika Tanindrazana, noho ny tany halatra, noho ny trano halatra, noho ny harena halatra, matesa an’irotry ny tsy fanao ianao, ary mivesara henatra hatramin’ny zafindoria. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne