Tanindrazana hoe ?

Fotoana izao hamerenan-desona ny hoe «Tanindrazana». Andrandraina fa tsy dradraina fahatany, tsy tsianjery antsointsoim-poana, fa tokony ho latsa-paka anaty tokoa. Tanindrazana omen-kasina, fitiavan-Tanindrazana. Tanindrazana ampitondrain-kenatra, famadihan-Tanindrazana. 

Inona no atao hoe «Tanindrazana» ? Tsy ahitana famaritana azy amin’ny «dictionnaire», na ny an’i Richardson (1885) na ny azy mirahalahy Abinal sy Malzac (1888). Hoy kosa ny Rakibolana nosoratan’i Régis Rajemisa-Raolison (1985) : «Tany niavian’ireo razana ary ilevenany». 

Ny Dimiventisitelonjato (305), ilay fehezan-dalàna goavana indrindra fony «Tany Gasy», izay nambara teo Andohalo tamin’ny 29 martsa 1881, dia mbola tsy namaritra ny hoe Tanindrazana amin’ny dikany hoe «Madagasikara». 

Tamin’ny lahatsoratra iray, jolay 1916, nivoaka tao amin’ny Vaovao Frantsay-Malagasy, Rajonah Tselatra, izay teraka tamin’ny 1863, dia namaritra toy izao ny «Tanindrazana» : «Tamin’ny voalohany dia tany kely isaina amin’ny hetsy no samy nataontsika avy hoe tanindrazana, dia ireo tanimbary sy voly nolovaina tamin’ny razana. Manaraka izany, dia nitatra kely ka ny faritany isam-poko no samy tanindrazan’ny foko avy. Nitombo kokoa indray ka ny isam-pirenena no samy nanana ny faritaniny ho tanindrazany, dia Antsihanaka tanindrazan’ny sihanaka, Betsileo tanindrazan’ny betsileo, Imerina tanindrazan’ny hova (merina), etc. Teo akaikikaikin’ny taona 1880 dia nampianarina ny mpianatra (merina) sasany fa hoe Madagascar manontolo no tanindrazany. Tsy neken’ny tanindrana akory ho tanindrazan’ny (merina) anefa ny faritaniny, ary ny hevitry ny ankamaroan’ny (merina) dia nifanaraka tamin’izany rahateo».  

Rehefa teraka tamin’ny 22 febroary 1946 ny M.D.R.M. (Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache) dia namoaka ny hira fanevany : 

Madagasikara, Tanindrazanay

Tany sarobidy masina tokoa

Lova soa nomen’ny Razanay taloha

Naly Rakotofiringa indray koa dia namorona ilay «Nosy Tanindrazako», ataoko hoe «hiram-pirenena fahatelo», mampihetsi-po tokoa rehefa sendra ny tena mahay miredona azy tahaka an’i Ludger Andrianjaka : 


Nosy Tanindrazako

Izay navelan’ny Razako

Andriamanitra ô, mitahia

Ity Taninay ity

Rehefa nisafidy ny Repoblika, tamin’ny 1959, vao tena ofisialy io «Tanindrazana» manondro ny Nosy manontolo io. Ny teny filamatry ny Repoblika no soratra vavolombelona, ka na dia niovaova isaky ny Repoblika aza ny teny filamatra, teny tokana no niverina ombieny ombieny, tsy niova mihitsy, dia ny hoe «Tanindrazana» : 

Fahafahana-Tanindrazana-Fandrosoana (29.04.1959)

Tanindrazana-Tolompiavotana-Fahafahana (31.12.1975)

Tanindrazana-Fahafahana-Fahamarinana (18.09.1992)

Tanindrazana-Fahafahana-Fandrosoana (08.04.1998)

Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana (11.12.2010)

«Ry Tanindrazanay malala» no voafidy ho hiram-pirenena ofisialy tamin’ny 1960. Tsy very tadidy anefa, ilay «hiram-pirenena faharoa», ary voarakitra ao anatin’ny Fihirana FFPM (Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara), ka mitondra ny laharana 734, ilay «Zanahary ô, tahio», noforonin’i Ramiarison Gilbert. 

 Zanahary ô, tahio

Ny Tanindrazanay

Handroso lalandava

Handry fahizay

Tanindrazana, Tanindrazana, Tanindrazana. Misy fianianana tokony hampianarina ny Malagasy tsirairay, dieny mbola any an-tsekoly : «Amin’ny ataoko sy ny sitrapoko, ny Tanindrazana, ho kajiako toy ny anakandriamaso mba tsy ho afa-baraka imason’ny firenen-kafa, tsy ho tondroi-molotra, tsy ho esoin-teny». 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

1 Commentaires

  1. Vanf est le dernier patriote--Le patriotisme est né du fait colonial.La décolonisation achevé chacun est revenu à sa terre tribale.

    RépondreSupprimer
Plus récente Plus ancienne