Malahelo ny SOLIMA

Tamin’ny voalohandohan’ny taona 2002 tany ho any, 4020 Iraimbilanja ny litatra lasantsy. Ny volana aprily 2018 no lasa 4020 Ariary izany litatra lasantsy SP95 izany. Mamitaka ilay tarehintsoratra hoe 4020 satria avo dimy heny amin’ny FMG ny Ariary. Nitombo avo dimy heny izany ny litatra lasantsy, teo anelanelan’ny 2002 sy 2018. Ny taona 2022 no tafakatra 5000 Ariary ny litatra «lasantsy». Efa nananontanona ny 6000 Ariary tamin’ny 2023 sy 2025, tohin’ilay fampiakarana 44%, vao nihena tsikelikely indray ka io 5120 Ariary io, nanomboka ny 1 aogositra 2025. 

Iankinan’ny ain-dehibe amin’ny sehatra maro ny vidin-tsolika. Orinasa vahiny anefa ireo mpanafatra sy mpivarotra ny solika eto Madagasikara. Mifaningotra amin’ny zavatra maro tsy ananan’ny Malagasy teny na dia indraim-bava aza ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, manginy fotsiny ny mety fiakaran’ny fitaterana azy an-tsambo. 

Na kapoakam-bary, na tokom-boatabiha, na anana iray tanana, na menaka iray litatra, na sira iray fatra, eny fa na ny saribò, efa tsy tokony ho fampiasa intsony aza, mbola ho voavidin’ny sarambaben’ny olona hatramin’ny ohatrinona raha midangana tampoka ny vidin’ny solika izay miantoka ny fitaterana sy ny famatsiana ?

Gasoil ho an’ny fiara fitateram-bahoaka, gasoil ho an’ny fitateram-bokatra sy entam-barotra, gasoil ho an’ny milina mamokatra herinaratra ao amin’ny Jirama. Raha tsy misy tampoka na lasa lafo loatra ny solika gasoil dia tsy hisy mpanangona ny vokatra any amin’ny tantsaha, tsy hisy hamatsy ny tsena, tsy afaka hamonjy toeram-piasana ny olona, ho tapaka ny Jirama...

Mamisavisa izany dia mahatsiahy sady malahelo ny SOLIMA (Solitany Malagasy). Tamin’ny volana septambra 2001 no vita sonia ny famindram-pananana teo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny «Logistique Pétrolière». Amin’ny maha Nosy an’i Madagasikara, ary indrindra amin’ny maha hazon-damosin’ny fahaleovantena ara-angovo ny fananana tobin-tsolika sy fitsinjarana solika tsy miankina amin’ny sitrapon’ny orinasa vahiny, tokony nitana ny fahatelontanana ny Fanjakana malagasy. 

Isika mantsy dia takalon’ain’ireo «compagnies pétrolières» tsy voafehin’ny Fanjakana malagasy. «Rehefa tonga Bemolanga», hoy ilay hiran-dry Mahaleo efa tany amin’ny efapolo taona lasa. Solitany malagasy, angovo eto an-toerana, vokatry ny tany : aiza ny politikam-panjakana hialàna amin’ny fiankinandoha amin’ny solika hafarana sy ny ampihimamban’ireto tsy miankina nandimby ny SOLIMA. Na sambo-tanker mpitatitra solika iray ihany koa aza tsy ananantsika. Ny «raffinerie» iny efa tsy ampelatanan’ny Fanjakana malagasy iny intsony. Haingon-trano avokoa aloha hatreto : ny masoandro, ny rivotra, ny ranomasina, i Tsimiroro, i Bemolanga... 

Fahavitantena ara-angovo, fahavitantena ara-tsakafo, fahavitantena ara-panafody, fahavitantena ara-pitaterana : satria Fahavitantena no Fahaleovantena voalohany. Ary fahavitan-tena tokony efa omaly, mbola hangatahan’andro. Politika stratejika ho avin’ny firenena mihitsy : mba tsy ho ampitambezin’ny sasany amin’ny solika giazany ary ho amidiny amin’izay itiavany azy ; mba tsy hiankin-doha amin’izay sakafo hafarana mamelona ny toe-karen’ny sasany anefa i Madagasikara tokony ho sompitra ; mba tsy ho Nosy vita fahirano isika satria tsy manana sambo no sady kamboty «Air Madagascar». 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

1 Commentaires

  1. E lasa nofinofy sisa raha mahatsiaro ny SOLIMA fony Rarivoson no lohalaharana nitondra ny ady amin'ny fandraisan'ny Malagasy ny resaka solika . Hoan'i Didier Ratsiraka secteur stratégique io . Nanana raffinerie isika ary tsy olana ny famatsiana raha ny fifandraisana tamin'i Algérie , Lybie ary Irak . Izao voravorain'i Rainilainga ka potika tanteraka .

    RépondreSupprimer
Plus récente Plus ancienne