Madagasikara, tsy kofehy nanara-panjaitra

 Nihaona ny samy (tena) Lehibe. Nifampotoana tany Alaska, izay tany rosiana fahiny, ny Filoha amerikana sy ny Filoha rosiana. Misy indray ny «m alahelo» satria hoe naverin’i Donald Trump ho anatin’ny Fianakaviambem-pirenena i Vladimir Poutine. 

Madagasikara moa, hatramin’ny nipoahan’io ady Rosia-Okraina io, dia nandà hatrany handala ny atsy na hankatò ny aroa. «Nalahelo» noho izany, ohatra, ny Vondrona eoropeana satria Madagasikara tsy mba nanatevina ny fanamelohana an’i Rosia teo anivon’ny Firenena Mikambana. 

An-taonany maro no efa nisy romoromo teo amin’i Rosia sy Eoropa mikasika ireo tany manolotra avy hatrany ny sisintanin’i Rosia. Tsy nierana tamintsika izay fanapahan-kevitra nifanesy tany aloha rehetra tany. Ary na niteny aza moa isika, ho nisy niraharaha akory ve. Vaky tampoka ny ady dia lazaina fa raharaha iraisam-pirenena izay mitranga. 

Tsy misy valaka amin’izay nahatonga ny ady 1914-1918 : raharaham-pianakaviana samy Eoropeana no naha-voasaringotra tsy fidiny ny firenena voazanaka tamin’izany, tahaka an’i Madagasikara. Malagasy firy no matimaty foana tamin’izay ady tsy nisy nidirantsika na dia sila-hoho aza. 

Tamin’ity indray ity, niangaviana isika hanara-dia an-dry «zareo» noho izay ady mbola tsy misy idirantsika hatrany. Nandà kosa ary Madagasikara, satria ny firenena samy hafa samy hafa hevitra. Dia natao nalaza ilay hoe «malahelo» sady «diso fanantenana». Sanatria fandrahonana sahady amin’izay «sazy» mety hihatra, satria moa isika fatra-mpangataka fanampiana ara-bola sy fanamoràna ara-trosa.  

Efa-taona aty aoriana, rehefa hitan’ny rehetra fa tsy levin’ny fanamelohana politika etsy sy ny fanasaziana ekonomika aroa i Rosia, ary mainka mahazo vahana ara-tafika aza, dia tany amin’ny fifandraisan-tanan’i Donald Trump sy Vladimir Poutine ny mason’izao tontolo izao. Na misy hilaza aza hoe tsy nahitam-bokany izany fihaonana (tena) an-tampony izany, ankoatra iny dia fihetsiketsehana fodilahimena anefa ny seza fiandrianana tahom-voangahazo, ny an’ny firenena (salantsalany) hafa.  

Ny antsika no nety, hatrany am-boalohany. Isika mantsy, tsy «mandiso fanantenana» raha manara-driandrano. Fa «mampalahelo» ny sasany kosa raha mba ankibe misintaka «maka very ligne». Rehefa mody hangalana hevitra anefa handrasana hanao kofehy manara-panjaitra dia aleo hatrany mijanona ho Nosy.

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne