Iza moa ilay niteny hoe tsy mba ho sambatra mihitsy aho fa mahita indro kely foana amin’ny zava-drehetra...
«Barea» moa no efa foinareo iantsoana ny ekipam-pirenena, mangala-tahaka ny hafa nametaka ny azy ho «Fennec», «Lion», «Eagle», sns. Hoy ny Firaketana hoe : «BARE na BARIA : ombimanga na ombihaolo tsy misy mpiandry fa mitoetra any Bongolava». «BARIA na BARE : ombidia, ombimanga. Amin’ny Antankarana any Vohémar, ny baria na varia, dia vala, fahitra, ary ny omby ompiana ao am-bala na fahitra dia atao hoe omby am-baria».
Ireo fanondro roa fanaon’ny mpilalao «Barea» amin’ny fihirifana rehefa avy nahafaty baolina, dia toy miendrika ny hoe «kindava» (teny betsileo) na «tsindavalokana» (teny merina) : «enti-milaza karazan-tandrok’omby mahitsy manahatahaka ny tandro-balala», hoy ny Rakibolana.
Mbola anaty Rakibokana ihany, ny hoe «soaloha» (teny bara) dia «enti-milaza tandrok’omby fanaperana, izany hoe mivolantsinana roa mitovy bika tsy misy tomika». Tahatahaky ny hoe «kirongo» (teny merina, teny bara) na «korongo» (teny betsileo) ihany raha izany : «enti-milaza karazan-tandrok’omby miendri-bolantsinana, izany hoe boribory tsara». Manahatahaka ireo sarin’omby amin’ny vola madinika tsy fahita ankehitriny intsony (Iraimbilanja, Venty sy Kirobo, Ariary, Ariary Roa, Ariary Efatra).
Variana aho mijery ireto olona safononoky ny baolina. Manapoapoaka sarom-bilany. Oha-pitenenana anaty Rakibolana ny hoe «Safononoka ny fon’ny Malagasy nahazo Fahaleovantena». Safononoka izay tsy izy indray ny Malagasy fa tafakatra dingana famaranana ny ekipam-pirenena (A moa izany sa B ireto). Arak’ilay hiran-dry Mahaleo hoe : «Adino vetivety ireo sorisory, sorisory mandreraka anao»...
Ilay hoe «Kianjan’ny Barea» (fa Mahamasina moa io ara-Tantara), asa ho kianjan’ireo lavo am-pahaefa-dalana tamin’ny CAN (Coupe d’Afrique des Nations) sa ho asalotra ireo tojo famaranana amin’ny CHAN (Championnat d’Afrique des Nations). Ity farany dia vao tamin’ny 2009 no noforonina, ary ifanandrinan’ireo mpilalao an-tanindrazany avy ihany. Ny CAN kosa dia iadivana efa hatramin’ny 1957, ary afaka andaharana ireo kalaza mpila ravin’ahitra any amin’ny Premier League, Liga, Seria A, Bundesliga na Ligue 1 sy ny sisa hafa. Efa impito, ohatra, ny Egypta (Pharaons) no nandrombaka ny CAN. Indimy ny Kamerona (Lions Indomptables), inefatra ny Ghana (Black Stars).
Mitovy fa tsy sahala. Raha baka mahay mihorirana ny iray, kirongo tsy azo idirana ny faharoa. Rehefa Gasy samy Gasy no mifanandrina, mino aho fa azo ilalaovana ny kianja etsy Mahamasina, izay iaraha-mahalala fa tsy manara-penitra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Asa, iza re no handresy raha asaina mikatroka ny «Barea» CAN sy ny «Barea» CHAN... Ny kindava sa ny kirongo. Filam-baniny.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja