«Miloko telo soratra ny sainam-pirenena malagasy ankehitriny dia ny fotsy mitsangana manaraka ny hazo ary ny mena sy ny maitso mitsivalana mifanongoa, ny mena ambony». Nandritra ireny «Alefa Barea» ireny dia nipoitra ombieny ombieny ny sainam-pirenena malagasy. Jejo nitanisa ny lokon’ny sainam-pirenena ny olona maro. Saingy.
Saingy. Ny sasany nandiso ny fanoratana ny MAITSO, nataony hoe maintso. Saika ho fanitsiana io fotsiny no niheverako ity lahatsoratra ity, saingy revo tamin’ny loko aho dia nanita-kevitra. Fanitaram-pahalalana.
Fahiny, ny hazo sy ny zavamaniry teo am-pelatanana ihany no nangalan’ny Ntaolo ny loko ho ampiasainy. Ny hazo antsoina hoe aika no ahazoana ny Manga (indigo). Ny Fotsy, hono, azo amin’ny laloto na amin’ny nonoka. Ny Mainty masahana amin’ny vodi-voahirana (tatamo) na amin’ny ravin’ampongabendanitra. Miara-tanehina amin’ny fota-mainty koa ny hoditry ny rotra na ny ravi-maitson’ny lalona na ny vodi-herana dia miteraka ranomainty fandomana kofehy. Mba hahazoana ny Maitso dia mangàna aloha ny kofehy vao atsoboka anaty ranon-tamotamo. Ny tamotamo mandranoka ny Mavo. Ny vovoky ny hazo vandrika no anaovana ny Vony. Ny Mena alaina amin’ny nato, hozo, harongana, amontana, vahona.
Ny Vony raha haroana mena tanora dia manjary Haboka. Tsy niandry ny «quadrichromie» ny olona taloha dia nahay nampifangaro loko roa hahazoana loko fanintelony hafa.
Mainty = mavo + manga (cyan) + mena (magenta).
Mainty = cyan + mena
Mainty = magenta + maitso
Mainty = indigo + mavo
Manga = cyan + magenta
Maitso = mavo + manga
Mena = manga + mavo
Ny jaky, nitafian’Ny Andriamanjaka taloha, mivolona-ràn’omby lavo sorona an-kianja, no mifandraika amin’ny magenta. Ny elo mena, an’Ny Andriamanjaka irery ihany, jaky mena sa mena midorehitra tahaka ny volon’ny fodilahimena ? Ny lambamena, anarany fotsiny, fa tsy voatery miloko mena.
Ny lanitra mangamanga. Ny voatabiha (tabiha sy rehareha) mena. Ny volo antitra fotsy. Ny volo tanora mainty. Ny volo tanora anefa maitso volo ihany koa. Ny mainty izany maitso. Indraindray koa ny manga milaza mainty : zazamanga, ohatra.
Ny feo mety ho fotsy, raha mivalana. Manga kosa raha mahay mihira. Ny manga amin’Ambohimanga sy Analamanga fahiny : manga midika hoe tsara, sa manga maizin’ny ala mbola nandrakotra ny vohitra, sa manga sanga ?
Ny tany fanao trano manga, misy koa vony : ny tany fotsy, na tany ravo, dia tany sokay fandalorana rindrindra na fanaovana bakoly. Ny ranomena fitsaboana, ny rano mainty fanoratana. Ny biby misy vorompotsy, ombimanga, vandana ka kary...
(Hitohy)
Nasolo-Valiavo Andriamihaja